Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Janoary, 2008
Kenya: Mampiasa SMS hampielezana tsaho
Ahoana moa ny mba ao an'eritreritry ny vehivavy iray raha nanoratra ny fomba fampiasa amin'ny lafiny ratsy ny SMS izy ao Kenya: “Raha jerena ny fiakaran'ny herisetra ao Kenya, ny mpitondra tenin'ny vokovoko sy ny saritsinambolana mena ao Kenya, Atoa Bernard Barret no noheverina ho niteny fa ny fampiasana ny soratra hafatra...
Bangladesh: Cinema, politika, fahasalamana, saripika ary tantaram-pirenena
Lahatsary: Miezaka mamoaka lahatsary mendrika azon’ny mpianakavy Bangladeshi jerena miaraka ny orinasa Bangladeshi mpamokatra izay antsoina amin’ny anaram-bositra hoe Dhallywood. Saingy noho ny hatsaran’ny sary mivoaka avy any Hollywood sy Bollywood, izay tafiditra tsara anaty tsena Bangladeshi sy ny hamoran’ny kapila mangirana VCD/DVD piraty dia tra-pahasahiranana i Dhallywood nandritra ny...
Mozambique: Nahasambotra kamiao nitondra ankizy maromaro ny polisy
Ity resaka ity dia tohin'ny lahatsoratra efa navoakan'ny namana Tomavana eo ambanimbany eo. Vaovao farany navoakan'ny tontolom-bolongana, Carlos Serra [pt] no nitatitra fa nahatsikaritra kamiao (fiarabe re a!) nitondra ankizy miisa 40 anelanelan'ny 7 ka hatramin'ny 11 taona niainga avy any Nampula, Mozambique ny polisy ao Inchope. Azo inoana fa...
Brezila: ny fandripahan'alan'i Amazona sy ny ampitso
“Raha tianao ho fantatra izay hitranga amin'ny faritry Amazonia (miaraka amin'ny renirano) raha mbola tsy atsahatra izao fandripahan'ala izao dia azonao jerena ny fivoarany amin'ny alalan'ny fanandramana hitsinjo mialoha nataon'ny Institute of Environmental Research (na sampan-draharaham-pikarohana momba ny tontolo iainana) miorina any Amazonia, miaraka amin'ny Federal University of Minas Gerais (Oniversite federalin'i Minas...
Iràka: 1.000.000 no isan'ny Irakiana maty noho ny ady
“Mahatratra 1 000 000 ankehitriny ny isan'ny Irakiana maty ‘voatifitra’ noho ny fibodoan'ny Etazonia ny taniny, saingy ireo (mpanao politika Amerikana) nankato ny fitsabahan'i Etazonia tany kosa na avy amin'ny “antoko ankavia” na avy amin'ny “antoko ankavanana” dia mbola mitady fialantsiny sy hevitra mandrakariva hanao izay hijanonana any Iràka” hoy...
Brezila: Ho Fampitam-baovao ekena amin'izay ve?
Cardoso [pt] izao manko no iray amin'ny mpamaham-bolongana nasaina hamahavaha ny momba ny “Firohotana ho amin'ny blaogy (bolongana) – izao ve ny fotoana hanekena azy ho fantsona fampitam-baovao?” izay hanatontosana any Brezila amin'ny volana marsa ny fihaonambe faratampony iraisam-pirenena mikasika ny fifandraisana niomerika. Nolazainy fa tena zava-dehibe tokoa ity fihetsiketsehana ity...
Armenia: Bolongana amin'ny tenin'ny teratany (indizeny)
Raha saiky amin'ny teny anglisy na rosiana avokoa ny ankamaroan'ny bolongana miresaka na nosoratana Armeniana dia hafaliana tsy omby tratra kosa ny an'i The Armenian Observer raha nahatsikaritra fa na dia mandeha tsikelikely aza dia hita tsara ny fitomboan'ireo bolongana mivoaka amin'ny teny Armeniana. Mamporisika ary Observer hijery ny fahatsarany...
Tonizia: Ny finoan'i Obama
“Tokony hanahy ve aho amin'ny fanaovana ny Islam ho toy ny zavatra mampandositra ny olona? Tsy maintsy hieritreritra ve aho fa mety hahatonga ny olona ho azo fidîna na tsia ny fivavahana arahina olona iray?” hoy ny nosoratan'i Subzero Blue avy any Tonizia, rehefa avy namaky ny voasoratry ny senatera Barack...
Shina: Ny fahatezeran'ny malemy
Teny andalana hamonjy fiasana no nahitan'i Zengying mpiambina (‘voromahery'?) nandositra avy tamin'ny toeram-piambenana ny tanàna. Ampitandremany noho ny izany ny tsy hanaovana tsinontsinona ny fahatezeran'ny malemy ka manindry azy ireny hiverina hiady (hitolona).
Korea : Ho firenena mpiteny anglisy ?
Hiteny anglisy avokoa ny Koreana rehetra afaka fotoana fohy. Hiakatra ve sa hidina ny faneriterena raha miteny anglisy ianao na tsia? Nilazain’ny governemanta vaovao, ekipa tetezamitan’i Lee Myung Bak fa ho ampianarina amin’ny teny anglisy avokoa ny taranja rehetra. Herinandro taty aorian’ny nanambarana io drafitra io dia mbola henika ity...