Androany, 20 Marsa, hamonjy ny biraom-pifidianana ny Haisiana hanapa-kevitra izay ho filohan'ny Firenena Karaiba manaraka. Tsy eken'i Mirlande Manigat sy i Michel Martelly ireo kandidà roa heverina ho nahazo ny ampaham-bato be indrindra tamin'ilay fifidianana nahabe resaka notontosaina tamin'ny volana novambra farany teo, moa ity fifidianana anio ity. Ny tatitra androany maraina avy amin'ny mpampiasa Twitter any an-toerana any Haiti moa dia nilaza ny fahataran'ny fisokafan'ny biraom-pifidianana, raha ny maro ampitan-dranomasina kosa dia mifantoka tamin'ny nitifirana akaiky dia akaiky ilay mpihira rap teraka Haisiana Wyclef Jean, mpanohana an'i Martelly. Indreto manaraka ireto ny sary voafantina nivoaka tao amin'ny Twitter tany Haiti tamin'ny ora nisokafan'ny biraom-pifidianana—na ny fikasana hanokatra azy—tamin'ny maraina.
@melindayiti: "Olona vitsivitsy eo amin'ny biraom-pifidianana ao Cite Soleil efa misokatra". Ny Cité Soleil midadasika moa dia iray amin ny faritra mahantra sy mampidi-doza indrindra any Haiti.
@samaxyalaat: "Mba mijery ny lisi-pifidianana, lycee petion afovoan-tanana. Efa ora iray aty aoriana."
Lehiben ny New York Times Randol Archibold (@rcaNYT): "Tonga ihany ny fitaovam-pifidianana ho an ny biraom-pifidianana ao place #Martelly, 2 ora ny fahatarana, milamina ny olona."
@Vladguerre: "Mpikambana biraom-pifidianana Lycee de Petion Ville manisa ny vato mialoha ny fifidianana."
@Vladguerre: "Mpifidy iray ao ivelany ao Lycee de Petion Ville miantso ny hisokafan ny biraom-pifidianana, te-hifidy ny olona."
@melindayiti: "Maro kokoa ny mpanara-maso sy ny mpiambina noho ny mpifidy ao Corail".
Lehiben ny New York Times Randol Archibold: "Milamina kosa ny toeram-pifidianana hafa any #Haiti na tara aza ny fisokafana."
@esfaceblack: "HNP (Polisy Haisiana) tsy menatra mifidy."