Andriamifidisoa Zo · Jolay, 2018

Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.

Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.

imailaka Andriamifidisoa Zo

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Jolay, 2018

Sava-lalana momba ny Iran Inside Out

Rising Voices  25 Jolay 2018

Shaghayegh Azimi no fehin'izay lazaina matetika ato amin'ny Global Voices ho "bridge-blogger" [bilaogera-tetezana fampitana]; olona mampiasa ny bilaoginy mampita na mampifandray kolontsaina roa na maro. Fa misy zavatra iray voamarika - tsy tena bilaogera i Azimi. Amin'ny maha-mpamokatra filma taloha azy tao Iran, ny lahatsary hatrany no nosafidianany ho fitaovam-panehoan-kevitra.

Nahafaty olona 170 ireo fanapoahana baomba mialoha ny fifidianana ao Pakistan, mampihemotra ny fanantenana isian'ny fandrotsaham-bato milamina

  20 Jolay 2018

Fanafihana iray monja, tamin'ny 13 jolay nandritra ny famoriam-bahoaka nataon'ny Antoko Awami Balochistan, dia efa nahafatesana olona 129 sy naharatrana olona am-polony. Iny no fanafihana nahafatesana olona indrindra tao Pakistan taorian'ny fitifirana tsy mitsahatra nahafatesana olona 141 tao amin'ny sekoly iray tantanin'ny tafika tao Peshawar, tamin'ny desambra 2014.