Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Novambra, 2016
Nirona Tamin'i Google ny Didin'ny Fitsarana Ambony ao Brezila, Manoloana ny ‘Zo Hohadinoina’

nametraka ny didy fa ny fanerena ny mili-pikarohana handray fanapahan-kevitra amin'ny fandraisana fangatahana ka hanaisotra rohy sasantsasany avy amin'ny fanaovana karoka dia hanome andraikitra be loatra amin'ny mili-pikarohana, ka hahatonga azy ireo ho mpanao sivana nomerika
“Manisaka ny Fanahin'i Madagasikara, ny Mponiny, ny Vovonan'ny Frankôfônia”
Mandany volabe i Madagasikara amin'ny fanomanana ny fihaonana an-tampony, fa miaina ao anatin'ny fahatrana hatrany ny vahoaka.
Nampiasaina Hanoherana ny Fanjanahana Ara-Tsaina Mialoha ny Hitsidihan'ny Printsy Harry an'i Karaiba ny Tenirohy #NotMyPrince
"Nahoana no tsy maintsy ilain'ny Satroboninahitra ny hanana anjara toerana saimbôlika, ara-danonana na ara-dalampanorenana aty amin'ny karaiban'ny taonjato faha-21?"
Manasongadina ny Olana Fototry ny Tsy Fahalalàna Tantara Ny Fitafian'Ilay Tarika Mahalefaka Japoney Mitovy Amin'ny Fanamian'ny Nazi
Noheverina ho mahafinaritra tamin'ny voalohany ireo fitafiana iraisan'ny Keyakizaka46 niatrika ny Halloween. Saingy nisy ny olona nanamarika fa mitovy amin'ny fanamian'ny Nazi ireo fanamiana ireo. Ampy na tena izy ve ny fialantsiny?
‘Mihotakotaka ny Tany’ no Antony Nisamboran'ny Manampahefana Ethiopiana an'i Befeqadu Bilaogeran'ny Zone9

Nolazaina tamin'i Hailu fa noho ny antsafa nataony tao amin'ny Voice of America amin'ny teny Amharika momba ny fahalatsahan'ny firenena ankaterena ao Ethiopia no nisamborana azy.
Lanonana Mivantana Facebook Hampiroboroboana ny Fandriampahalemana sy Iadiana amin'ny Tenim-pankahalana ao Kenya
Manomana lanonana hiresahana ireo tetipanorona iadiana amin'ny tenim-pankahalana ao Kenya mialoha ny fifidianana ankapobeny amin'ny herintaona ny DW Akademie.
Amerika, Nitia Anao Aho

Nahavaky ny fon'ny maro manerana izao tontolo izao tia an'i Amerika ny nifidianana an'i Donald Trump.
Notànana Vonjimaika Ny Mpanao Lahatsary Iray Ao Frantsa, Misongadina ny Fomba Hafahafa Ampiasan'i Frantsa Ny Fahamehana
Voahelingelina amin'ny asany amin'ny tsy fahazoana miditra ao Calais intsony ny mpanorina ny tranonkala Taranis News, tranonkala miompana manokana amin'ny lahatsary mivoaka avy amin'ireo fihetsiketseham-panoherana misy ao Frantsa.
Nanao Ahoana Ny Fihetsik'i Japan Tamin'ny Fandresen'i Donald Trump
Mahatonga fanontaniana maro mila valiny haingana ho an'i Japan ny fahazoan'i Donald Trump ny prezidansa.
Mankalaza Ny Fandresen'i Trump Ny Nasionalista Sy Ny Mpandrendri-Bahoaka Any Serbia Sy Makedonia
Nampientanentana fatratra ireo politisiana elatra havanana sy ireo mpikambana ao aminy any amin'ny firenena Balkan maro ny fandresen'i Donald Trump tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tany Etazonia, indrindra noho ny tsy fitiavana an-dry Clinton.