Andriamifidisoa Zo · Desambra, 2013

Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.

Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.

imailaka Andriamifidisoa Zo

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Desambra, 2013

Tambajotran'i Kaokazy: Momba ny Fiteny

Akon  23 Desambra 2013

Tsy misy na dia tenin-teratany iray aza ka tsy teny Rosiana mba mahazo vahana any amin'ny sehatry ny famahanam-bilaogy ao Kaokazy Avaratra, eny fa na dia amin'ireo sehatra natokana ho fiadian-kevitra amin'ny raharahan-tokantrano ao amin'ny faritra aza dia atao amin'ny teny Rosiana.