Bilaogera amin'ny teny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Desambra, 2010
08 Desambra 2010
Cablegate: Lesona momba ny teknolojian'ny fangaraharana

Ny telegrama mahatratra hatramin'ny 250.000 ifandraisan'ny Departemantam-panjakana sy ny Masoivoho Amerikana antsoina hoe "Cablegate" avoakan'ny Wikileaks no raharaha mahoraka indrindra eo amin'ny gazety sy ny fitondrana isan-karazany amin'izao fotoana izao. Renata Avila no mijery hoe tahaka ny ahoana no ampianaran'ny Cablegate antsika ny antsoina hoe teknolojian'ny fangaraharana.
05 Desambra 2010
Iran: Jiolahin'ny solosaina avokoa isika rehetra
Manana lalàna eo ampelatanany ahafahany miampanga ny mpampiasa aterineto rehetra ho jiolahy ny fitondrana Iraniana. Nolanian'ny antenimiera iraniana tamin'ny janoary 2009 ny "Lalànan'ny heloka eo amin'ny solosaina" (singany ao amin'ny andininy miisa 56) . Fitaovana nentina nanenjehana sy namaizana mpamaham-bolongana sy mpazoto an-tserasera izyio, nefa tsy mba nanaitra ny olo-tsotra...
01 Desambra 2010
Madagasikara: Fisamborana sesilany taorian'ny fanonganam-panjakana tsy nahomby
Taorian'ny fitsapa-kevi-bahoaka sy ny fanonganam-panjakana tsy nahomby nifanindran-dalana tamin'izany dia nanaloka ny nosy indray ny fisamborana sy famotorana nitranga sesilany. Miresaka momba izany toe-draharaha mihazakazaka izany ny Malagasy izay misy tsy nanampo na misy ny sorena na mahatsapa ho tohina.
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...