Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Marsa, 2010
GlobalPulse 2010: Fanasana hiresaka an-tserasera amin'ny mpanapa-kevitra
Hatramin'ny 29 ka hatramin'ny 31 mars no ikendren'ny Global Pulse 2010 hamoriana an-tserasera olona sy solontenan'ny fifandaminana [ naotin'ny mpandika teny: tenin'ny akademia, ilay antsointsika mahazatra hoe fikambanana] mihoatra ny 20.000 hiresadresaka lohahevitra tahaka ny fampandrosoana ny mahaolona ka hatramin'ny haihay [siansa] sy ny teknolojia. Tohanan'ny Sampan-draharaha Amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID),...
Trinite sy Tobago: Vita ny vola
“Nanoaka aho halina raha nahare tamin'ny vaovao navoakan'ny televiziona rehetra misy eto an-toerana nitatitra ny nanafihan'ny polisy, malaza amin'ny fankatoavana ny lehibeny tsy azo anaovana kolikoly, ny biraon'ny UDeCOTT, ny biraon'ny Sunway International ary ny tranon'i Calder Hart, angamba eo ampikarohana ny ambim-bolan'ny Trésor”: Nolazain'ny This Beach Called Life fa tsy...
Shina: nifindra ho an'ny Hong-Kong ny google.cn
Nanapa-kevitra ny handao an'i Shina ihany ny Google. Vantany vao nahavita ny fanambarana ny Google dia nitsahatra tamin'ny fnaovana sivana ny tadiavina amin'ny milin-karoka ao amin'ny google.cn amin'ny familiana hankany amin'ny google.com.hk. Ao amin'ny bolongana ofisialin'ny Google i David Drummond, lehiben'ny fiandraiketana ny lafiny lalàna no manazava fa ny anton'izao fanapahan-kevitra...
Shina sy Google: Raha hifandao isika izao
Ho tohin'ny fanakatonan‘ny Google ao amin'ny tanibe androany maraina ao amin'ny mili-karoka Google.cn, izay mamindra ny rohy ho an'ny amin'ny setriny miorina any Hong Kong, dia nirotsaka nankany foiben'ny Google ao Beijing indray nandritra ny tontolo andro ny mpanohana hametraka mari-panajana. Koa satria moa efa niomankomana (ihany) ho amin'ny fandehanany ny...
Masedoana: Raha tsy nisy ny aterineto
Samy nanome ny valinteniny avy na ny mpamaham-bolongana na ny mpampiasa fitaovan-tserasera vaovao tamin'ny fanontaniana manao hoe “Ahoana ny nanovan'ny aterineto ny fiainanao?”, ao amin'ny lahatsoratra [MKD] iray amin'ny hita ao amin'ny vohikala miteny Masedoniana an'i BBC. Darko Buldioski ao amin'nyKomunikacii.net moa nampihatra ny fanaon'ny Slavy mamantatra ny valin'ny fanontaniana mifamaly...
Gresy: Fitokonana faobe miharo gidragidra
Notsenain'ny fanafihan'ny polisy avy hatrany, araka ny notaterin'ny olo-tsotra mitati-baovao, ny fitokonana faobe andiany faharoa enti-manohitra ny famehezan-kibo napetraky ny minisitry ny fitantanam-bola faritra Eoropa notanterahina tany Athena sy tany Thesalonika tamin'ny alakamisy 11 marsa. Olotsotra tsy reraka mamoaka sary eo noho eo “Nitondra ny andro” indray tamin'ny alalan'ny fampiasana...
Madagasikara: Hiatrika sazy ny mpitondra herintaona aty aoriana
Eo ampanatonan'ny fitsingerenan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 17 marsa 2009 teto Madagasikara, iny dia efa mananontanona ihany koa ny fanasaziana hampiharina amin'ny olona tsirairay amin'ireo mpitondra an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao noho ny tsy fanajan'izy ireo ny fifanarahan'i Maputo izay efa nifaneken'ny mpandray anjara rehetra. Tonga moa izao fanapahan-kevitra izao taorian'ny fampitandremana...
Thailandy: Miala any ny menalamba
Manam-pikasana ny hanomboka filaharambem-panoherana any Bangkok any Thailandy manomboka ny 12 marsa io ny United Front of Democracy Against Dictatorship (UDD) na Manda Mivondrona ho amin'ny Demaokrasia manohitra ny Didy Jadona, fantatra ho Menalamba (Red Shirts). Menalamba an-hetsiny no antenaina ho tafavory mandritra io faran'ny herinandro io, ka ny hetsika...
Iran: Fahatsiarovana OR318 mpamaham-bolongana maty tany am-ponja
Mihamanakaiky ny herintaona nahafaty ny mpamaham-bolongana sady mpanao gazety Omid Reza Mir Sayafi ary miomana fatratra ho amin'izany ny hetsika OR318, mampahafantatra tsy ny fahafatesan'i Omid tany am-ponja ihany fa ny loza mihantona ho an'ny mpamaham-bolongana manapa-kevitra ny hanoratra ihany koa. Ao amin'ny vohikalany march18.org no anangonan'izy ireo soratra am-bolongana, lahatsary ary saripika miompana amin'ny...
Google, Yahoo sy ny hafa nahazo alalana ho any Kiobà
Notsenaina tamin'ny tsy filazana na inona na inona tamin'ny fampielezam-peo tao Kiobà, raha ny tao anatin'izay ora vitsivitsy izay aloha, ny fanapahan-kevitra farany navoakan'ny Departemantan'ny fitantanambola tao Etazonia mba hisokafan'ny teknolojia amerikana amin'ny fiaraha-monina (firenena) nanakatonana izany. Ny tanjon'ny Fitantanam-bola moa dia ny “hahazoana toky fa misosa ny fifanomezam-baovao,” ao...