Andriamifidisoa Zo · Novambra, 2011

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Novambra, 2011

Madagasikara: Leon'ny Fahatapatapahan'ny Herinjiro ny Mponina

  21 Novambra 2011

Nandritra ny herinandro lasa teo iny, dia niaina fandrindrana vaovao ny fahatapahan-jiro [fr] izay maharitra eo ho eo amin'ny adiny roa sy sasany ny takariva ary mety hiharatsy aza [fr] izany ny eto Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara.  Mary ny bilaogera no nanambara [fr] ny fiakaran'ny fahasosorana [mg] amin'ny toe-java-misy ankehitriny izay hita taratra amin'ny...

Koety: Nakorontan'ny Mpanao Fihetsiketsehana ny Antenimieram-Pirenena

Nakorontan'ny Koesiana tezitra an'arivony ny Lapan'ny Antenimieram-Pirenena tamin'ny Alarobia 16 Novambra 2011, rehefa nifampigidraka tamin'ny polisy sy ny mpitandro filaminana ny mpanao fihetsiketsehana. Efa nihahenjana tokoa ny tontolo politika Koesiana tao anatin'ny taona vitsivitsy, ary kihon-dalana vaovao teo amin'ny toe-draharaha ny lohataona Arabo tamin'ny fiandohan'ity taona ity

Rosia/Zeorzia: Ny Olana Amin'ny Famahanam-Bolongana Hahazoam-Bola

Akon  09 Novambra 2011

Lasa zavamisy eo amin'ny serasera Rosiana ny firoborobon'ny mpamaham-bolongana karamaina sy ny “serasera an-takonana” ary nisy aza ny fandaharana sasany tao amin'ny televiziona Rosiana. Efa nanoratra momba ity lohahevitra ity tamin'ny antsipiriany ny Global Voices tamin'ny herintaona – nefa niakatra dia niakatra ny sandany hatrmin'izany fotoana izany; Afa-mijery izany any amin'ny vohikala hafa...

Egypt: Nosaronan'ny Salafista Ny Sarivongana Zazavavindrano Ao Alexandria

Nosaronan'ny Salafista ny sarivongana zazavavindrano iray tao Alexandria, Ejipta, izay nahatonga tsikera sy filazana fahadalana avy amin'ny mpisera. Notaterin'ny mpisiokantsera fa nosaronan'ny Antoko Salafista Al Noor, izay nanao fivoriana teo akaiky teo, ilay sarivongana. Manazava i Farah Saafan: @FarahSaafan: Salafis had a meeting close to a mermaid statue in Alexandria.. Ended...