Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Aogositra, 2018
Miangatra mamely an'i Shina ve ny media tandrefana? (Fizarana faharoa)
Mitabataba i Shina fa miangatra aminy ny fampitam-baovao tandrefana. Nanao fitsapana izany filazan'i Shina izany izahay tamin'ny fampiasana fitaovam-panadihadiana lahatahiry anankiroa.
Niteraka firohotan'ny fanaovana sary-sy-soratra tao Brezila ny fampahafantarana ny Ursal — Firaisamben'ny Repoblika Sosialista Amerikana Latina
Nanodikodina tao an-dohany ny teorian'ny tetidratsy avy amin'ny elatra farany havanana ny aterineton'i Brezila.
Amerika Latina no faritra be famonoana olona indrindra eto an-tany, Fanadihadiana avy amin'ny fantsona YouTube
Velomin'ny tanora mpanangom-baovao avy amin'ny gazety kolombiana El Espectador, naharitra 130 taona, misavasava any amin'ny lohahevitra mifaningotsingotra mampifangaro ny fanadihadiana sarotra fahaizana mamazivazy mivatambatana ny La Pulla.
Tsy nampino ireo olona ny fisamborana an'i Nini Satar, jiolahy malaza ao Mozambika
"Rtoa Mpitsara ô, mpandositra ve ny olona iray nahazo fanafahana misy fepetra?"
Tsy ampy ny mpitsabo zaza ao Romania, mitsangana ny saina menan'ny faharatsian'ny rafi-pitsaboana
Hopitaly maro an-tanandehibe ivelan'i Bucharest renivohitra no zara raha misy pediàtira (mpitsabo zaza) iray miasa. Rehefa miala sasatra ireny, dia tsy maintsy mikatona ny sampana satria sarotra dia sarotra ny hanoloana azy.
Nahamay indray ny rafitra karapanondro biômetrikan'i India, Rehefa nanaiky ny Google fa nampiditra laharana fiantsoana vonjy tao amin'ny telefônina Android
Noho ny fitomboan'isan'ny trangan-tsy fetezan'ny rafitra hiasa araka ny tokony ho izy sy ny fiporitsahan'ny lahatahiry manokan'ilay olona, dia very fitokisana tamin'ny Aadhaar ny vahoaka.
Namily lalana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna zotran'ny fampiasa Telegram ny orinasam-pifandraisandavitra ao Iran
Tao anatin'ny hetsika vaovao ikendrena hanerena ny fandraràna avy amin'ny fanjakana ny fampiasa fampitan-kafatra Telegram, dia nanodina vonjimaika ny zotran'ny fampiasa Telegram ny Orinasam-pifandraisandavitra ao Iran (TCI) tamin'ny 30 jolay, ary fanitsakitsahana mivantana ny lalàna ao an-toerana izany.
Manao ahoana ny fahasamihafana ao Afghanistan? Ny mahazo ireo Sikh sy Haindò
"Tena feno alahelo! tsy azoko veroka ny alahelon-dry zareo sy ny hirifiriny raha mandao ny firenena, indrindra fa ny fianakaviana Avtar Singh izay mbola vao haingana ny ratra nahazo azy ireo! "
Shahidul Alam, mpaka sary fanao an-gazety Bangladeshita nohazonina noho ny fitantarana ny fihetsiketsehan'ny mpianatra
"...Androany aho teny an-dalambe nahita olona nitondra antsilava mihaza ireo mpianatra tsy mitondra fitaovam-piadiana. Ary mijery fotsiny eo akaiky eo ny polisy."
Misantatra Pride ny renivohitry ny karnavaly ao Karaiba
"Ny tena mahakivy ny mpitarika ara-pivavahana dia ny mahita fa misy ny pelaka eto amin'ity firenena ity ary tsy menatra izahay."