Andriamifidisoa Zo · Mey, 2011

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Mey, 2011

Brezila: Saripika avy amin'ny kiendiendim-panoheran'ny “Olona Samihafa”

  30 Mey 2011

Tsy fantatra tsara aloha raha ho tontosa ihany na tsia ny fananganana ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany ao Higienópolis na tsia taorian'ny fihetsiketsehana kiendiendy na tsia, fa niteraka famoronan-javatra isan-karazany tamin'ny mpisera aterineto izany. Jereo ao amin'ity lahatsoratra ity ny sary sy lahatsary tsara indrindra notsongaina avy amin'ilay kiendiendy goavana.

Ejipta: Voasazy handoa onitra noho ny fanakanana ny aterineto nandritra ny Revolisiona i Mubarak

Voasazin'ny fitsarana ejipsiana handoa onitra 540 tapitrisa livra ejipsiana (90 tapitrisa dolara amerikana) noho ny fanapahana ny aterineto sy ny finday nandritra ny revolisiona nanaisotra azy ny filoha voaongana Ejipsiana Hosni Mubarak sy ny olom-panjakana hafa, araka ny didy nivoaka androany. Araka ny voalazan'ny Reuters, dia nodidian'ny Fitsarana misahana ny...

Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany

  26 Mey 2011

Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio. Vao navoakan'ny Transparency and Accountability Initiative (@TAInitiative) miaraka amin'ny tatitra am-polony hafa momba ny hetsika fampangaraharana asa manerana izao tontolo izao izy io. Mifototra amin'ny...

Danemarka: Lalàna mampiady hevitra amerenana ny fisavana an-tsisintany

  18 Mey 2011

Nanambara vao tsy ela ny famerenana indray ny fisavana an-tsisintany miaraka amin'i Alemaina sy Soeda ny antoko ankavanana nasionalista Danoà, ny antokon'ny vahoaka Danoà (Dansk Folkeparti/DF). Tsy nahovoka ny antoko eo amin'ny fitondrana afovoany-ankavanana vitsy an'isa ka dia lany ilay tolo-kevitra. Nanampoka ny maro izany fanapahan-kevitry ny Danoà izany satria...

Filipina: ‘Veloma Friendster’

  12 Mey 2011

Hivadika ho vohikala 'fialamboly an-tserasera' ny valan-tserasera Friendster ka hamafa ny mombamomba ny mpisera ao aminy amin'ny faran'ny volana. Maro ny Filipiana no naneho ny alahelony noho ny fiheverany fa i Filipina no tsena lehibe voalohany indrindra ho an'ny Friendster nandritra ny taona maro