Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Jona, 2009
Global Voices Advocacy no nandrombaka ny fifaninanan'ny Zemanta blog
Global Voices Advocacy [Global Voices Mpisolovava] no nandrombaka voalohany indrindra androany ny loka fifaninanan'ny Zemanta's Blogging for a Cause na Famahanam-bolongan'ny Zemanta ho amina foto-kevitra iray. Nihoatra ny 60 ny vohikala nofantenana tamin'izany fifaninanana izany ka samy nahazo $1200 tsirairay avy ny 5 voalohany nahazo ny safidin'ny mpamaham-bolongana indrindra. Ankasitrahana...
Mety hampigadra ny fanamboamboarana saripika ho an'ny mpamaham-bolongana Tanzaniana
The Nairobi Chronicle no mitatitra fa mety higadra ny mpamaham-bolongana Tanzaniana iray noho ny namboamboarany sary iray ahitana ny filoha Tanzaniana Jakaya Kikwete ho manao fihetsika mamoha fady (ara-pananahana). Araka ny nolazain'ny Habari Leo , gazety Tanzaniana[sw] iray dia mitady fiarahamiasa amin'ny Interpol ny polisy ao an-toerana hitadiavana ny tompony...
Iran: resaka taorian'ny fipoahana baomba tany amin'ny Mosquée
Nisy baomba nipoaka tao amin'ny môske Ali Ibn-Abitaleb, môske Shiita faharoa amin'ny habeny any Zahedan, Iran. 25 raha kely indrindra ny isan'ny maty. Olona telo nampangaina ho nandray anjara tamin'ity fanapoahana môske ity no nahantona tamin'ny sabotsy maraina teo. Vondrona Sonita mitampiadiana antsoina hoe Jundullah, izay midika hoe Borigadin'Andriamanitra no...