Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Marsa, 2023
Fanambaràna ny fifidianana filankevi-pitantanan'ny Global Voices 2023 – manondroa olona mialoha ny 30 marsa!
Nahafeno ny fehim-potoana niasany amin'ity faran'ny volana marsa ity ny solontenantsika vondrom-piarahamonina GV ao amin'ny filankevi-pitantanana. Indro ny antsipirian'ny fifidianana ho solontenantsika telo vaovao ho avy!
MIVANTANA amin'ny 23 marsa: Santatr'andraikitra Fehikibo sy Lalana an'i Shina—Tsingerina vaovao, sa fiovana tanteraka?
Miraisa dia aminay ao amin'ny YouTube Live amin'ny 23 marsa izao hiatrika fifanakalozan-kevitra amin'ny namolavolan'ireo toe-javatra nitranga vao haingana indray ny fomba fijery ao Shina sy aty amin'ny Ilabolantany Atsimo ankapobeny ny fitantarana momba ny Belt and Road Initiative (BRI) [Santatr'Andraikitra Fehikibo sy Lalana].
Podcast [fandraisam-peo]: Ampandavoana ny hantsana eo amin'ny lahy sy ny vavy ao Zeorzia iarahana amin'ny Disruption Network Lab
Amin'ity toko manokana iompanana amin'ilay tatitra hivoaka momba ny tsy fitoviana eo amin'ny lahy sy ny vavy ao Zeozia ity i Arzu Geybullayeva no miresaka amin'ireo mpikaroka Maya Talakhadze sy Ekaterine Khositashvili ary amin'ny mpanao gazety Emmy Thume.
Tsy handre intsony ny tenin'i Potinina ireo ao anaty vatapaty hoe ‘nandeha araka izay nokinasa ny zava-drehetra’
Nangonin'ny Global Voices ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny media sosialy tamin'ny teny Rosiana.