Andriamifidisoa Zo · Desambra, 2009

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Desambra, 2009

Mila ny fanohananao ny Global Voices

31 Desambra 2009

Ry Mpamaky Global Voices Hajaina, Te-hiangavy anareo izahay hanohana ny asanay ara-bola amin'ity taona 2010 ity. Raha nanaraka ny asan'ny vohikala Global Voices, Global Voices Advocacy ary ny Rising Voices ianao, na ireo vohikalam-pandikan-teny 17 mavitrika amin'izao fotoana izao, dia hahamarika ny ezaka lehibe tsy mampino sy ny karazam-mpomba fijery...

Tonizia : hetsika naoty fotsy hanoherana ny sivana

  31 Desambra 2009

Sary famantaran'ny Hetsika Naoty Fotsy Tamin'ny zoma 25 desambra no namoahan'ny mpamaham-bolongana Toniziana ny fanentanana Naoty Fotsy hanoherana ny sivana izay miitatra dia miitatra tokoa any Tonizia amin'izao fotoana izao. Tsy mifidy karazam-bohikala asiana intsony ny Sampan-draharahan'ny Aterineto Toniziana (ATI). Saiky nandray anjara tamin'ity fanentanana naoty fotsy ity avokoa ny...

Madagasikara tamberina 2009 – fizarana voalohany -

  31 Desambra 2009

Mby amin'ny fahataperany ity ny taona 2009. Taona nanjakana ary mbola anjakan'ny hotakotaka ho an'i Madagasikara. Ity lahatsoratra manaraka ity ny tapany voalohany (mitantara ny volana Janoary ka hatramin'ny Aprily) amin'ny fizarana roa manamarika ny taona 2009, raha tarafina avy amin'ireo olom-pirenena niaina tao anatin'ity savorovoro ity. Janoary: Raha nanomboka...

Adihevitra mikasika ny fiavaham-pirenena frantsay

  12 Desambra 2009

Hatramin'ny fiandohany dia efa nahazo tsikera mivaivay na mandritra ny fotoam-pivoriana na amin'ny aterineto ny dihevitra natsangan'ny fitondrana momba ny “Identité Nationale” na fiavaham-pirenena. Namoaka “topimaso” momba ny vohikala ofisialin'ny fitondrana frantsay debatidentitenationale.fr [Fr] tamin'ny 2 novambra lasa teo ny vohikalan'ny Vaomiera mpanara-maso ny adihevitra debatpublic.net, izay natsangana ihany koa ny...

Ala mitentina $460 000 isan'andro no potika eto Madagasikara

  11 Desambra 2009

Raha manatrika vovonana iraisam-pirenena karakarain'ny Firenena Mikambana momba ny toetr'andro any Copenhagen ny firenen-drehetra dia Madagascar, nahapotika sahady ny 90%n'ny ala voajanahariny i Madagasikara, ary mbola iharan'ny fanondranana hazoala an-tsokosoko hatrany. Vitana ekipa miafina mpanao famotorana iray manko ankehitriny ny dosie iray manontolo momba ny fitrandrahana bolabola (bois de rose)...

Frantsa: Andro tsy misy mpiavy

  07 Desambra 2009

Maro amin'ny mpanara-maso sy mpikatroka ny politika frantsay no miahiahy tetika hafahafa ao ambadiky ny adi-hevitra momba ny “identité nationale na fiavaham-pirenena” izay natsangan'ny filoha Nicolas Sarkozy sy ny Minisitry ny fifindra-monina, fampanazarana, fiavaham-pirenena ary ny fampandrosoana miray hina [Fr], Atoa Eric Besson. Nampiandraiketina tamin'ny prefe solontenan'ny fanjakana eny anivom-bahoaka...

Tontolo Arabo: hevitra nanoloana ny fandrarana minaret any Soisa

  04 Desambra 2009

Nanaiky ny handrarana minaret vaovao [tilikambon'ny moske silamo] tamin'ny alalan'ny fitsapa-kevi-bahoaka ny alahady 29 Novambra lasa teo ny 57,5%-n'ny mpifidy Soisa, izay manori-dalana ho amin'ny fanitsiana ny Lalampanorenana. Any amin'ny fananganana tilikambo silamo vaovao – fa tsy ny moske – moa no iantefan'ity fitsapa-kevi-bahoaka ity fa tsy any amin'ny tilikambo...

Mongolia: Manimba ny fomba fiainan'ny mpifindrafindra monina ny fiovan'ny toetr'andro

  03 Desambra 2009

Hatry ny fahagola no nilàn'ny fianakaviana mpifindrafindra monina avy any Mongolia tamina toerana midadasika fa izany no mifandrindra amin'ny fomba fiainany. Taloha dia azon'ny biby fiompiny nivalamparana avokoa na ny sakafom-biby na ny rano. Saingy niova avokoa izany rehetra izany, fa nanimba ny fomba fiainan'ireo fianakaviana ireo ny fiovaovan'ny toetr'andro....