Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Jona, 2012
Pakistan: Famonoana Zazavavy Dimy Iarovam-Boninahitra Fa Niara-Nifety Tamin'ny Lehilahy
Zazavavy dimy voampanga ho nandihy sy nihaino hira no novonoina noho ny didy navoakan'ny jirga iray. Nanokatra fanadihadiana momba ity asa mampihoron-koditra ity ny Fitsarana Tampony. Tsy fantatra be ihany ny toerana misy ny governemanta amin'ity raharaha ity.
Ejipta: Maty Ve I Mubarak?
Maty ve ny filoha Ejipsiana voahongana Hosni Mubarak? Efa tsy voatanisa intsony ny fiverimberenan'ity fanontaniana nivoaka amin'ny fitaovam-pampitam-baovaon'olo-tsotra ity. Toy izao indray no fihetseham-pon'ny mpisera Twitter momba ny tsaho faramparany teo. Araka ny tati-baovao maro, “Matory tsy mahatsiaro saina” i Mubarak. Nivoaka ny vaovao rehefa nivoaka ny didim-pitsarana manameloka an'i...
Shina: Avela Heloka Ny Mpandripaka Olona Tao Tiananmen?
Nandritra ny fotoana fiareta-tory fanao isan-taona tamin'ny 4 Jona 2012 tao Hong Kong no nanoratan'ilay mpitarika mpianatra teo aloha Chai Ling tao amin'ny Huffington Post fa efa navelany ny heloky ny mpamono olona nandritra ny fandripahana. Tsy manaiky izany ijoroan'i Chai Ling izany ny mpitarika mpianatra iray hafa Wang Dan ka namoaka fanambarana ampahibemaso izay niteraka adi-hevitra.
Noferan'i Zambia Indray Ny Vidin'Ny Katsaka, Ka Mahasorena Ny Banky Mondialy
Efa niteraka roaka sy tonga hatrany amin'ny fikasana hanongam-panjakana ny fiakaran'ny vidin'ny katsaka, foto-tsakafon'i Zambia. Mbola nandraikitra ny vidiny farany ambony indrindra ihany ny manampahefana zambiana na dia eo aza ny fampitandremana nataon'ny Banky Mondialy amin'ny fahapotehan'ny sehatry ny fambolena vokatr'izany fanapahan-kevitra izany.
Shina: Maniry An'i Confucius Hody Ny Mpiserasera
Ny nanambarana ny fisian'ny politika vaovao amin'ny famoahana “visa” (fahazoan-dalana hiditra malalaka ao amin'ny firenena vahiny iray) ny Departemantam-panjakana Amerikana no nampitodika ny tontolom-bilaogy Shinoa tany amin'ny Ivotoerana Confucius. Mitaky ny fankatoavana Amerikana ny Ivotoerana manana endrika Anjerimanontolo araka ny toromarika vaovao, nivoaka tamin'ny 17 Mey 2012 mba ahafahan'ny manampahaizana sy...
Côte d'Ivoire: Miteraka Romoromo Ny Fanoloana Ny Mpanazatra Zahoui
Nanambara ny Federasiona Ivoarianan'ny Baolina Fandaka, fa manomboka ny alatsinainy 28 mey dia voatondro ho mpanazatra sy mpifantina ny ekipam-pirenena A hisolo an'Atoa François ZAHOUI i Sabri LAMOUCHI. Miresaka momba ity fanoloana tampoka ity ny Ivoariana.