Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Febroary, 2020
Vahaolan'ny fanjakana tokana ve ny drafi-pandriampahaleman'i Trump ao Afovoany atsinanana?
Fahanginana sy Fahatafintohinana tao Afovoany Atsinanana no nitsenana ilay adivarotra fandriampahalemana nandrasana hatry ny ela.
Nangidy lela amin'ny tsy fahasahian'ny governemanta manakana ireo mpitsidika avy any tanibe ny mpiasan'ny fitsaboana ao Hong Kong
Nandrisika ny governemanta ny matihanina ara-pitsaboana ao Hong Kong hanakatona ny toeram-pisavana an-tsisitanin'i Hong Kong sy i Shina ho famerana ny fielezan'ny coronavirus-n'i Wuhan (Covit-19) ho ao Hong Kong.
‘Famoretana manahiran-tsaina mahazo ny fahalalahan-gazety’: Sakanan'i Pakistan ankitsirano ny Slate.com
Fanindroany izao no voakasaka ny tranonkala tamin'ny taona 2019 ary fanintelony raha raisina hatramin'ny taona 2018.
Hetsika manohitra ny fanorisorenana an-dalambe ao Trinité & Tobago: Fotoana indrindra izao hampianarana ny lehilahy hanao ny tsara kokoa”
Tranga mahazatra eo anivon'ny ankamaroan'ny fiarahamonina Karaibeana ny fanorisorenana vehivavy eny an-dalana, saingy nanomboka fanentanana ara-panabeazana hampisy fiovana ara-pitondratena ny Vaomiera ara-toekarenan'ny Firenena Mikambana ho an'i Amerika Latina sy i karaiba.
Efa hisy ny fivezivezena be amin'ny taombaovao shinoa vao mandray matotra fisian'ny coronavirus-n'i Wuhan i Shina
Mihoatra ny 400 tapitrisa ny isan'ny shinoa miomana handray ny taombaovao manara-bolana amin'ny 24 janoary, iray amin'ny fifindra-monina isa-potoana goavana indrindra eto ambonin'ny tany, vao nohamafisina manerantany ny fahamarinan'ny sahoan-dresaka fisian'ny endrika coronavirus vaovao, na dia mihisitrisitra ny amin'izany aza i Beijing.
Sambany nahitana leopara maramara tany amin'ny faritra avo Himalayas ao Nepal. Fa ho afa-miangana amin'ny fikorontanan'ny toetrandro ve ireo?
Sambany nahitana leôpara maramara, iray amin'ireo saka mipirimpirina indrindra, tany amin'ny haavo 3498 metatra ambonin'ny ranomasina tao amin'ny Valan-Javaboarim-Pirenena Langtang tao Nepal.
Mangorona mena: fankalazana ny taombaovao shinoa
Haharitra andro maromaro, izay nanomboka tamin'ny 24 janoary ny taombaovao manara-bolana 2020.
Tia tanindrazana shinoa mamaly bontana tamin'ny nanaovan'ny Danoà sary viriosy tamin'ny sainan-dry zareo
Ankona i Shina rehefa naneho hevitra tamin'ilay zava-nitranga ny Praiminisitra Danoà Mette Frederiksen tamin'ny fiarovana ny tarazon'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena.