Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Jolay, 2011
Arabia Saodita: Ny mariazin'i #Tabukgirl
Tsy sambany tsy akory no nahitantsika lehilahy mampanambady ny zanany vavy tsy mbola ampy taona amina lehilahy efa voky taona, indrindra fa any Arabia Saodita sy any Yemen. Ho entin'i Mona Kareem amintsika ny tantaran'i #Tabukgirl [zazavavin'i Tabuk] sy ny adihevitra naterak'ity zazavavy noterena hanambady lehilahy efa 60 ity tany amin'ny valantserasera Saodiana.
Iran: Haromotana amin'ny tsangambato niorina nialoha ny vanim-potoana Islamika
Hita taratra fa na dia ny tsangambato aza any Iran dia karazany voantohintohina. Antony ara-pivavahana no taratra ho ambadiky ny halatra sy famotehana ny "tsangambato"n'ny olomangam-pirenena vita amin'ny varahina miorina ao an-tanàna.
TED Talk avy amin'ny mpiara-manorina ny Global Voices Rtoa Rebecca MacKinnon
Niteny ny mpiara-manorina ny Global Voices Rebecca MacKinnon fa tokony hanorina orinasa tompon'andraikitra hahatonga ny aterineto hivelatra mankamin'ny fomban’ “olom-pirenena” ny olo-tsotra. Nandritra ny TED talk tamin'ny 12 Jolay 2011 tany Edinburgh, Ekaosy no namoaboasany fa lasa fantsom-pifandraisana voalohany eo amin'ny olo-tsotra sy ny fitondram-panjakana ny aterineto saingy nampitandremany fa misy ny andian'orinasa...
Tonizia: Manomboka ny fisoratana anarana hifidy, Tatitra olana ara-teknika
Nanomboka nisoratra anarana tao amin'ny lisi-pifidianana ny Toniziana ny andron'ny 11 jolay. Hitohy hatramin'ny 2 aogositra moa izany fisoratana anarana izany. Heverina ny handrotsa-bato hifidy ny antenimieram-panorenana, izay hanoratra ny Lalampanorenana vaovao, manko ny Toniziana amin'ny 23 Oktobra ho avy izao. Efa misy sahady ny mitatitra ny fisian'ny olana ara-teknika.
Malezia: Tsakoahan'ny fihaonambe Bersih 2.0 ny governemanta
Ny nananganana azy dia ny hisian'ny fanavaozana ny lalam-pifidianana saingy ilay fihaonambe goavan'i Malezia Bersih naparitaky ny polisy tamin'ny fomba mahery vaika dia niofo ho hetsika politika mampanahy ny fitondrana sy ny fahamarinan-toerany. Bersih ankehitriny no iantsoan'ny ankamaroan'ny olona any Malezia ny revolisiona
Rosia: Misafidy ny sainan'ny tanànany ny bilaogeran'i Vladivostok
As the Asia-Pacific Economic Cooperation (APEC) summit of 2012 approaches, local authorities of the Russian maritime city of Raha manantomotra ny Vovonan'ny Fiaraha-miasa ara-toekarena Azia sy Pasifika (APEC) 2012, sahirana anaty fikarakarana Vladivostok, ny mpisera tia famoronana kosa nanoratra fa tsy manana saina ofisialy [ru] handraisana ny lanonana ny tanàna. Indreto ny sasany amin'izay novolavolaina hamenoana izany fahabangana izany.
India: Ho avin'i Wikipedia
Mankalaza ny fahafolo taonany ny Wikipedia amin'ity taona ity ary saiky tanàna zato any India no nisoratra anarana handray ny fankalazana izany, isa avo indrindra amin'ny isam-pirenena. Amin'ity taona ity ny Fondation Wikimedia no hanokatra birao voalohany ivelan'i Etazonia, amina tanàna iray any India araka ny nambara. Ny Global Voices dia tafaresaka tamin'i Tinu Cherian, mpi-Wikipedia, momba ny Wikipedia any India.