Nomarihan'ny herisetra sy tifi-basy ny teto Bahrain ny alarobia teo raha nandrava ny fihetsiketsehana ny polisy sy ny tafika. Nambara ny talata teo ny fepetran'ny tany latsaka an-katerena, raha niditra tao amin'ny firenena ny tafiky ny Vaomieran'ny Fiarahamiasan'ny Helodrano ahitana ny avy any Arabia Saodita sy Emirà Arabo Mitambatra. Ny alarobia tolakandro, fanambarana fahaefatra nolazain'ny Tafika Bahrain fa hampiharina ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina mandrapisian'ny fanambarana manaraka (avy amin'ny Bahrain News Agency):
Ampiharina ny tsy fahazoana mivezivezy manomboka amin'ny efatra ora folakandro ka hatramin'ny efatra ora maraina hatramin'ny alarobia 16 Marsa 2011 mandrapisian'ny filazana manaraka ao anatin'ny faritra manerana an'i Saif Flyover ka hatreny amin'ny jiron'ny fifamoivoizana alohan'ny tetezan'ny Shaikh Isa bin Salman, ary tafiditra ao ny 400 metatra andaniny sy ankilan'ny lalambe mihantona. Tokony hifandrindra amin'ireo mpanara-maso eny antsefatsefany eny ny mponina anatin'ireo faritra ireo hahamora sy fivezivezeny. Voarara manerana ny faritra rehetra eo amin'ny fanjakan'i Bahrain mandra-piverin'ny toe-draharaha ny fivoriana, fihaonana ary ny karazana fihetsiketsehana rehetra.
Tsy maintsy miara-miasa amin'ny mpanao fisavana ny olom-pirenena rehetra ho fitandroana ny fandriampahalemana. Izay rehetra mandika izany fepetra izany dia hosaziana araka ny lalàna mifanaraka amin'izany
Ho aminareo anie ny fitahiana sy ny famindram-pon'Andriamanitra
@WeLoveKingHamad http://yfrog.com/h3h4wjuj mampiseho ny sarintanin'ny faritra tsy azo ivezivezena

Ny toerana tsy azo ivezivezena hatreo amin'ny faritra Seef eo amin'ny tetezan'i Shaikh Isa ka hatreny Muharraq
Tamin'ny alarobia tokoa, notontosaina tao Riffa faritra atsimon'ny Governà ny fandevenana manamboninahitra polisy, Ahmed Al-Muraisi, maty nandritra ny fanatontosana ny asany nandritra ny fifandonana ny talata lasa teo. Tao anatin'ny 48 ora farany dia nolazaina fa manamboninahitra dimy no maty teo ampanatontosana ny asany.
@BahrainiBullet الشرطة قدمت 5 شهداء للوطن
Ary ao amin'ny pejy Facebook 14th Febroary: Androm-pifalian'ny Bahraini:
يوم الفرح البحريني 14 فبراير
إعلان لجميع اهالي وأبناء الرفاع الكرام انه سيتم دفن المغفو له بإذن الله الشهيد البطل ( أحمد بن أحمد راشد المريسي ) بعد صلاة عصر يومنا هذا في مقبرة الحنينية وعليه ينوه شيوخ وكبار عائلة المريسي انه سيتم تقبل التعازي في مصابها بشهيد الواجب في صالة شيخان الفارسي بالقرب من مجمع عبدالله في منطقة البحير رحم الله شهيد الوطن واسكنه فسيح …جناته وانا لله وانا اليه راجعون .
Tweep @ifowzan attended the funeral and paid his respects:
@ifowzan الآن وصول الجثمان الطاهر لشهيد الواجب أحمد المريسي #Bahrain http://yfrog.com/h7dezunj
@ifowzan بداية تشييع الجثمان الطاهر لشهيد الوجب أحمد المريسي http://yfrog.com/h89qxotj
@ifowzan الآن: التشييع المهيب لشهيد الواجب أحمد المريسي بمقبرة الحنينية #Bahrain http://yfrog.com/h4cegudj