Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Oktobra, 2021
Raharaha Uyghur : Mitsipalotra ao Afghanistan ny tena atahoran'i Shina indrindra
Raha hita ho manamafy ny fifandraisana eo amin'izy ireo ny Taliban sy i Shina, dia mety ho vato mahatafintohina ara-diplaomatika kosa ny voina mahazo ireo Uyghurs migadra any amin'ireo lazaina ho toby fanarenana (fanabeazana indray) ao Shina.
Mpianatra Malayziana mifampizara lesona mampiasa fitaovana ankihy hampiroboroboana fiteny indizeny
Manana hirika ny mpianatra hanavatsava, hieritreritra ary hamakafaka ny fomba fiasa sy ny anjara asan'ny fiteny vazimba ao amin'ny fiarahamonina sy ao amin'ny vondrom-piarahamonina vazimba.
Fivarotana idiram-piara McDonald's iray ao Japan nahazo fitsidihana avy amin'ny soavaly nohasinina
Ranty malaza iray ao amin'ny Twitter japoney no manome topimaso ny fifandraisana hatry ny ela eo amin'ny soavaly sy ny toeram-pivavahana Shinto ao Japana.
Aferam-pasipaorom-bakisiny sandoka tratra tao Armenia
Tombanan'ireo manampahefana fa olona maherin'ny 700 no nividy ireo taratasim-bakisiny sandoka tao Gyumri — tanàna faharoa lehibe indrindra ao Armenia.
Nihabetsaka ny fanentanana hametaka ny mpanao gazety sy ny fampitam-baovao rosiana ho ‘kasinga vahiny’ taorian'ny fifidianana
Sady mpiantraika mivantana no tena manahirana tokoa ny fiantraikan'ny fehezan-dalàna misahana ny 'kasinga vahiny' ao Rosia amelezana fampitam-baovao sy firaisamonim-pirenena. Tondroina ho 'fahavalom-bahoaka' ry zareo amin'izao fotoana izao.
Nahoana i Twitter nanohana ny #EndSARS ao Nigeria fa tsy nanohana ny #FixTheCountry ao Ghana?
Na dia tsy mazava aza ny antony, ny hetsika ataon'ny Twitter dia ahafahana mihevitra fa tsy te-hiditra ao anatin'ny raharaha politika ao Ghana tahaka izay ataony ao Nigeria izy, eny fa na dia midika ho tsy fiarovana ny zo ankihin'olompirenena aza izany.
Mangataka fanafahana ilay mpikatroka Alaa Abd El Fattah ny mpanohana
Niresaka ny fihenan'ny fahasalaman'ny sain'i Abd El Fattah ny mpisolovava azy ary nanatsonga ny teniny fa "tsy afa-manohy aho."
Ny aorian'ny #EndSARS: Ny fandraràna ny Twitter sy ny dikan'izany ho an'ny tanora Nizeriana
Nanaporofo feno ny vaikan'ny media sosialy raha ampiasaina hanandratana ny feo ny hetsika nanerana ny firenena #EndSARS hanoherana ny herisetran'ny polisy, hetsika iray izay toy ny tadio tao amin'ny firenena tamin'ny volana Oktobra 2020.
Ao Torkia, olompirenena iray migadra noho ny fanompana ny filoham-pirenena
Hatramin'ny naha-voafidy azy ho filoha tamin'ny taona 2014, manodidina ny "100.000 ny olona voampanga ho manaratsy ny filoha," sy manitsakitsaka ny andininy faha-299 amin'ny fehezan-dalàna famaizana