Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Novambra, 2019
Antsafa nifanaovana tamin'i Erick Huerta, mpikaroka iray manampy amin'ny hahatongavan'ny aterineto any amin'ireo fokonolona indizeny ao Meksika
Tetikasa iray natsangana sy hanamafy ny fizakantena ara-pifandraisana sy ara-teknolojia ireo vondrom-piarahamonina sy vahoaka indizeny.
Ny gidragidra tao amin'ny Oniversite Shinoa ao Hong Kong tamin'ny 12 novambra: Fijerin'olona iray nanatri-maso
Misy tamin'ireo mpianatro no nisioka hoe “aiza ny filohan'ny oniversite, aiza ny fandraharahana, aiza ny mpampianatra?!” ... Nanapakevitra aho ny ho any amin'ny campus (toeram-ponenan'ny mpianatra).
Ao Afghanistan, lanin'ny ady ny fahazazana
Nesorina tamin-dry zareo ny hirika hampivelarana ny talentan-dry zareo. Ny ady no mampisoroka azy ireo tsy hampivelatra ny mety ho zavatra vitany. Tsy manam-bintana ny hisandratra ireo ho siantifika rahatrizay.”
Ao Pakistan, takian'ny diabe Azadi ny hifaranan'ny fitondran'ny PM Khan
Fahabetsahan'ny olona, fahatapahan'ny aterineto, fanohanana avy amin'ny antoko mpanohitra, fankahalàna Qadianis, fihofahofan'ny saina Taliban, fanakiviana ny vehviavy tsy handray anjara no anisan'ny mampiavaka ny diabe Azadi/dharna tanterahana ao Islamabad.
Manaitra amin'ny fahabetsahan'ny fahazoana angovo avy amin'ny rano ao Balkana ny mpandala tontolo iainana
Mihoatra ny 2700 ireo toerana bitika famokarana angovo avy amin'ny rano izay na kasaina na eo am-panganana ao Makedonia Avaratra, Bosnia- Herzegovina, Serbia, Albania, Montenegro, ary Kroasia amin'izao fotoana izao. Saingy tsy nanao fanombanana araka ny tokony ho izy ny fiantraikan'ireny ny governemanta.
Miady amin'ny fahadisoam-panantenana amin'ny alalan'ny vazivazy ny mpisera Twitter avy ao Makedonia Avaratra
Tsy tontosa ny daty hanombohana fifampiraharahana amin'i Albania sy Makedonia Avaratra hidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana, noho ny tsy fisian'ny fanohanana avy amin'i Frantsa.
“Samy manana fandondònana isa-trano”. Izay tantarain'ny vavahadin'ny Carthagène des Indes ao Kolombia
Maro ireo antony mety hahatonga anao hitsidika an'i Carthagène des Indes. Misy antony avokoa ny antsipirianjavatra ahitana ny tantara isaky ny zoron-dalana ity.