Andriamifidisoa Zo · Marsa, 2014

Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.

Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.

imailaka Andriamifidisoa Zo

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Marsa, 2014

Filazana Fifaninanana Rising Voices 2014 Hahazoana Vatsy Bitika

Rising Voices  19 Marsa 2014

Manambara ny fisokafan'ny fifaninanana tetikasa mihatra an-kianja ho an'ny median''olom-pirenena amin'ity taona 2014 ity ny Rising Voices. Afa-mampiditra ny heviny ato amin'ny habaka ny mpandray anjara tamin'izao fotoana izao, ary hanamafisana orina ny kinasany ny fifandraisana amin'ny mpandray anjara hafa, amin'ny 9 Avrily 2014 ny fetra farany fandraisana anjara.