Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Mey, 2016
Misavoana Ambony ny Fisandratan'i Papi Jiang Olomalazan'ny Aterineto Shinoa (Vao Avy Tratran'ny Sivana)
Andro vitsy monja taorian'ny nanesoran'ny mpanao sivana aterineto ny clip nataony noho ny fiteny adala, dia nahavarotra zoro fanaovana dokambarotra 3,5 tapitrisa dolara amerikana izy teo amin'ny famoahany lahatsary isan-kerinandro.
Mandrafitra Aterineto Mizakatena Fehezin'ny Fanjakana ny Manampahefana Rosiana

Na dia mbola eo amin'ny dingana fanombohana aza ny vakiraokan-tolo-dalàna ary mety hahazo fanitsiana maromaro, raha lasa lalàna, dia ho eo ambany fifehezan'ny fanjakana rosiana tanteraka ny ain-dehiben'ny fotodrafitrasan'ny RuNet iray manontolo.
Netizen Report: Hanaisotra ny Fahazoan'ny Rehetra Mampiasa Lahatsary sy Hira Ny Volavolan-dalàna Shiliana Misahana ny Fizakamanana

Nandresy tao amin'ny fitsarana tao Azerbaijan i Khadija Ismayilova, mpanao gazety. Nosakanan'i Vietnam noho ny hetsi-panoherana ny Facebook sy ny Instagram. Natsipin'ny Antenimieran-doholona Nizeriana ny ‘volavolan-dalànan'ny media anti-sosialy’.
Nofoanan'ny Governemantan'i Krimea Ny Lanonana Hoe ‘******** i Putin’

Nisy filazana lanonana mahavariana nivoaka vetivety teo amin'ny tranonkalan'ny governemanta Krimeana tamin'ny may 25. Misy anaran'i Vladimir Putin sy ny teny hoe “lohantay” ao anatin'izany.
Fanamafisana ny Fiteny Miskitu sy Mayangna ao Nikaragoà Amin'ny Alalan'ny Media Nomerika

Ity no lahatsoratra voalohany avy amin'ny tetikasa "Miskitus and Mayangnas on the internet" anisan'ny nahazo vatsy hanohanana ny fahavitrihana nomerika ho an'ny fiteny vazimba teratany tamin'ny taona 2015. Vao nentina tao Nicaragua ny tetikasa, ary mikendry ny hanamafisana ny fiteny ao an-toerana miaraka amin'ny fandraisana anjara mavitriky ny tanora.
GV Face: El Chapo Ve no amin'ny T-Shirt Anao? Ny Fanaovana Ny Herisetra any Amerika Latinina Ho Zava-Manintona Sy Mampientanentana

T-shirts, hira, laza, ary eny hatramin'ny antsafa ifanaovana amin'ny Rolling Stones [mg] Iza no mandresy ary iza no resy amin'ny fanaovana ny herisetra ho zava-manintona?
Tanàna Japoney Nampiasa Sary Navoakan'ny Mampatahotra Solosaina Hampianarana Ny Mponina Hanavotr'Aina Amin'ny Tsunami
Fantatrao ve hoe aiza no ihazakazahana andosirana raha mandondona ny tsunami? Nanao "simulation" ny tanànan'i Kamakura hanampy ny mponina amin'ny famaliana izany fanontaniana izany.
Ny Fiparitahan'ny Solika Ao Amin'ny Ranomasina Adriatika No Hitamason'ny Voina Voajanahary Mihamahazo Vahana
Tsy fetezam-pitaovana ao amin'ny fanadiovana solika no niteraka ny fiparitahan'ny solika tsy voadio tamin'ny manamorona ny ranomasina Adriatika tao Croatia tamin'ny herinandro, niteraka fahasimbana tamin'ny tontolo iainana sy nampikoropaka ny mponina tao an-toerana.
Tahirin-Tsary Bobaka Ahitana an'i Shina sy i Japan Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa
Kaonty Twitter roa manolotra ireo jeritodika ilaina indrindra raha miresaka ady lehibe faharoa tany Shina sy ny ambin'i Azia.
Manao Fihetsiketsehana Mitady Fanampiana Ara-Tsakafo Ny Tantsaha Filipiana Tratran'ny El Niño
"Afa-mitady voly hafa izahay hatsatoka ambolena. Saingy tsy misy na inona na inona aloha izao – vovoka amana hekitara fotsiny izay tsy mety maniry eo na dia ny ahi-dratsy aza."