Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Andriamifidisoa Zo · Avrily, 2010

Bilaogera amin’ny teny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an’ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.

Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin’ny lahatsoratra adikako.

imailaka Andriamifidisoa Zo

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Avrily, 2010

27 Avrily 2010

Antotan'isan'ireo mpanoratra mandrafitra ny Global Voices 2010

Hanome ny fira demôgrafika ny ato anatin'ny Global Voices ity lahatsoratra ity. Tsy tokony hahagaga raha ahitana karazan'olona no vondrona mieli-patrana hatraiza hatraiza izahay. Karazana tahaka ny ahoana tokoa moa? Vakio ary.

17 Avrily 2010

Rwanda: nampiato gazety

Loka Best of Blog 2010 : Ireto avy ireo nahazo…

The BOBs have been decided! Tonga eo amin'ny  famaranana ny andiany fahaenina amin'ny fifaninanana Best of Blogs (BOBs) karakarain'ny Deutsche Welle ka midera ny mpandresy tamin'izany ny fiaraha-monin'ny Global Voices. Tamin'ity taona ity, maro tamin'ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices no voafantina (araka ny nasongadin'i Diego Casaes), ary misy koa ny...

10 Avrily 2010

Polonina: Maty tamin'ny fianjerana voromby tany Rosia ny filoha Kaczyński – Fihetsika voalohany

Nahatratra ny tontolon'ny bolongana iray manontolo, ka hatrany amin'ny  gazety malaza ankehitriny ny vaovao nianjeran'ny voromby nitondra ka nahafaty ny filoha Lech Kaczyński sy ny vadiny ary ireo tompon'andraiki-panjakana ambony tany andrefan'i Rosia androany maraina. Nizotra ho any Katyn ny filoha, handray anjara tamin'ny fotoam-pahatsiarovana ny fandripahana tao ana'alan'i Katyn nandritra...

06 Avrily 2010

Libanona: Fielezam-baovao any amin'ny tontolo arabo

Balkans : ny itovizan'ny antoko komonista Yogoslavy sy ny facebook

Adikan'i Filip Stojanovski ho antsika ato ny lisitryny fitoviana eo amin'ny Facebook sy ny Antoko Komonista Yogoslavy (CPY).

05 Avrily 2010

Rosia: Eritreritra manodidina ny politika sy baomba nipoaka t@ metro

Akon'ny RuNet

Herinandro izay no lasa taorian'ireo baomba nipoaka tamin'ny 29 Marsa tany amin'ny metrô-n'i Moskoa, izay nahafatesana olona 40 sy naharatrana olona mihoatra ny 100. Indreto apetraka eto ambany eto ny singa vitsivitsy amin'izay adihevitra ataon'ny mpamaham-bolongana miteny Rosiana amin'izao fotoana izao. mpampiasa ny LJ matiutia no nanoratra (RUS) momba ny fifanenana...

04 Avrily 2010

Vazo miteny – Lahatsarin-kira vaovao avy any Tibet

Mitodika any amin'ny “vazo miteny” indray ny bolongana manana tetikasa fandikan-teny High Peaks Pure Earth amin'ny fandikana ny tononkira Tibetana hita amin'ny lahatsarin-kira Tibetana misy mamoaka amin'ny aterineto. Tamin'ny faha-10 ny volana marsa tamin'ity taona ity dia nampiseho lahatsary hip hop mitondra ny lohateny hoe “Taranaka vaovao” [New Generation] avy...

03 Avrily 2010

Lahatsary: Lalao Amerikana Tatsimo any Medellin, Colombia

Nandritra ny roa herinandro izay no renivohitry ny lanonana sy ny lalao fanatanjahantena isankarazany ny any Medellin, Colombia noho ny fandraisan'ity tanàna ity ny Lalao Amerikana tatsimo fahasivy (ODESUR) ifaninanan'ny firenena Amerikana Latina sy handrombahana medaily amin'ny taranja isan-karazany. Miala amin'ny mahazatra kely na ny tompontany na ny vahiny hizaha...