Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Septambra, 2007
Myanmar: Mifampitifitra ny miaramila
Nametraka rohy milaza ny vaovao avy any Myanmar i Yangon Thu (avy tamin'i Mizimma ao Birmanie na Myanmar ihany) fa misy mifampitifitra ny samy ao amin'ny tafika. Voalaza koa fa misy andia-tafika avy ao afovoan'i Myanmar sy avy any atsimo atsinanana no mizotra ho any Rangoon renivohitra. Mihabetsaka ny tsaho...
Myanmar: Niverina tao Mandalay ny tafika
DVB.no [Birman] no nitoraka vaovao [ny 27 septambra 2007] momba ireo miaramila ao amin’ny vondrotafika faha 33 izay mbola nahafahan’ny mpitokamonina hanohy ny fihetsiketsehana tao Mandalay, tanàna lehibe faharoa ao Birmanie. Vaovaon’ny 27 sept efa eo an-toerana ao Mandalay ny vondrotafika faha 33. Misy miaramila vitsivitsy ao amin’ny vondrotafika faha...
Myanmar vao hanakoako
Mampitandrina ny mpanao fihetsiketsehana hiala ny arabe ny governemanta ao Myanmar taorian’ny filaharambe tao Yangon omaly. Notarihan’ny mpitoka-monina ny fihetsiketsehana ary mitaky fahafahana sy fanafoanana ny fanondrotam-bidin’entana nolazaina tamin’ity volana ity. Manohana sy mitoraka ny eritreriny ny mpibilaogy. Mampahatsiahy I Olom-pirenen’I Marsa fa niaina toe-javatra sahala amin’izao ihany koa ny...
Myanmar ny andron'ny 26 septambra
Namoaka sarimihetsika roa ilay mpampiasa YouTube dennisbier09 ary nanoratra : Ny sary faharoa dia mampiseho ny mpitoka-monina sy ny olom-pirenena eo ampihetsiketsehana hanoherana ny fitondrana jadon’i Birmania (Myanmar). Nalaina tao an-drenivohitra Yagon (Rangoon) ny alatsinainy 24 septambra 2007 tolakandro tao anaty orana ny sary. Awzar Thi kosa nanangona ny sarim-pihetsiketsehana...
Mibilaogy amin'ny teny vaovao (Patwa)
Hatramin’ny nanombohan’ny global online conversation no efa niadian-kevitra izay mety ho vokatsoa sy vokadratsy azo avy amin’ny fivoaran’ny haitaom-pampitam-baovao misy ankehitriny manoloana ny karazam-pitenenana rehetra misy. Amin’ny lafiny tsara, ahafahana mifandray sy mifanakalo hevitra hampiroboroboana sy hiarovana ny teny manokana ananan’ny vondrom-bahoakam-paritra ny aterineto. Ny mety haharatsy azy kosa indray...
Mibilaogy ny fifidianana any Kenya ny gazety malaza any
Nanokatra sehatra vaovao, amin’ny aterineto, hisahana manokana ny momba ny fifidianana atao any aminy ny gazety lehibe indrindra misy any Kenya Daily Nation. Sehatra mivoatra ka ny zava-dehibe malaza mitranga, ny lahatsoratry ny mpibilaogy ary ny lohateny sy fehitsoratry ny haino aman-jery no ho hita ao. Asaina hilaza ny heviny...
Korea: Ny toetra araka ny sokajindra
Manambara ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’Yonsei fa vao nahatontosa fikarohana manaporofo fa samihafa araka ny sokajin-dra ny toetra manokana mahaizy ny olona iray (personality). Niorina tamina volavolam-pikarohana 50 mikasika ny karazana sokajin-dran’ny mpianatra teratany sy vahiny, noraisin-dry zareo hanampy (isa) ny valim-pikarohana ihany koa ny tranga hafa re sy ny...
Ny fandrakofan'ny Zanabolana an'i Afrika
Tsikaritry White African ny sarintanin’ny fandrakofan’ny zanabolana an’I Afrika: “Tao amin’ny Africa in the Acacia Atlas -2005 ity sarintany ity izay vokatry ny International Research Development Center (IDRC). Mahaliana dia mahaliana tokoa ity sarintany ity fa milaza zavatra maro dia maro mikasika ny fifandraisan’i Afrika amin’ny zanabolana, ny aterineto ary...
Goatemala: Ireo Vahoaka Hafavolokoditra
Taranaky ny teratany (hataontsika hoe hafavolokoditra eto)[indigenes] efa teto talohan’ny nahatongavan’ny Eoropeana ny maro an’isa amin’ny mponina eto Goatemala. Tena ankavitsiana no mba hafa volonkoditra monina eto. Noho izany zavamisy izany no tena nandraisan’ny eto amin’ny firenena ho zavadehibe nandrasana hatry ny ela ny Fanambaran’ny Firenena Mikambana ho fiarovana ny...
HongKong: GazetyBoky vetaveta sy Baiboly Vetaveta
Nosokafan’ny olo-tsy fantatra tamin’ny 15 may tao amin’ny tranonkala truthbible (baiboly tena izy) ny fanenjehana ny Baiboly ho enti-manohitra ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny lahatsoratra tsy fampiseho masoandro (ang. Obscene Articles Tribunal’s na OAT) manambara fa tsy mendrika ny laharana roa navoakan’ny gazetin’ny mpianatry ny Oniversitey Shinoa. Hatramin’izao [20...