Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Oktobra, 2010
Arzantina: Nodimandry ny filoha teo aloha Nestor Kirchner
Ny marainabe, ny andron'ny alarobia, ny filoha teo aloha, Nestor Kirchner, sady vadin'ny filoha ankehitriny Cristina Fernandez no nodimandry noho ny aretim-po. Tsy diso anjara tamin'ny resaka momba ity fahafatesana tampoka sy tsy noeritreretina ity ny mpamaham-bolongana Argentina.
Isiraely: Korian'ny fianianana ho mahatokin'ny Firenena ny demaokrasia
Nolanian'ny filankevitry ny governemanta Isiraeliana tamin'ny 22-8 ny volavolam-panitsiana ny lalàna fizakana ny zo Isiraeliana, izay mitaky amin'ireo rehetra mangataka zom-pirenena ny fanekena an'Isiraely ho "fanjakana Jiosy ny demaokratika." Niteraka adihevitra an-tserasera izany.
Votsotra tamin'ny Panama ny fandraisana ny lalao Bolivariàna
Voatonon'ny Mpanoman-dalao fanatanjahantena Bolivariana (ODEBO) hampiantrano ny faha-XVII ny Lalao Bolivariana hontontosaina amin'ny 2013, tamin'ny volana mey lasa teo i Panama. Saingy noesorina taminy indray izany tamin'ity herinandro ity
Rosia: Lahatsary vaovao avy amin'ny mpiady anaty akata Primorsky Krai
Mitohy ny tantaran'ireo andia-mpamono polisy any amin'ny faritra atsinanana indrindra any Rosia, manadihady ny votoaty vaovao indray i Masha Egupova.
Meksika: Vehivavy 20 taona no lehiben'ny polisy vaovao ao avaratr'i Meksika ao
Vehivavy manambady 20 taona vao nianatra momba ny fanadihadiana vono-olona tamin'ny herintaona i Valles García; izy ihany koa no lehiben'ny polisy vaovao any Práxedis, Chihuahua. Eo ho eo amin'ny 100 kilometatra miala an'i Ciudad Juárez, tanàna meksikana malaza indrindra amin'ny herisetra any Meksika i Práxedis.
Lahatsary: Mifandimby mamaky Don Quixote an-tserasera
Nitsanga-ko velona, amin'ny alalan'ny Youtube indray, ny iray amin'ny tantara foronina be mpitia indrindra, Don Quixote. Anjatony ny nanolo-tena hamaky ny sombintsombin'ny asa-soratr'i Miguel de Cervantes' ity ary mampakatra ireny ao amin'ny fantson'ny ElQuijote.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...