Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Mey, 2012
Brezila: Niely Nanerana Ny Firenena Ny Diaben'ny Janga
Ny 26 sy 27 Mey, tanàn-dehibe maro manerana an'i Brezila no nahitana ny fiodinana faharoan'ny hetsi-panoherana amin'ny fantatra ho SlutWalks [na diaben'ny janga]. Mifantina ny sary nopihana manerana ny firenena ny Global Voices.
Ejipta: Tafatsangana Indray I Ahmed Shafiq
Navoakan'ny sombim-bokatra valim-pifidianana filoham-pirenena ejipsiana fiodinana voalohany fa ny kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana Mohamed Morsi sy ny Praiminisitra teo aloha Ahmed Shafiq no hifanandrina amin'ny fiodinana faharoa hotontosaina amin'ny 16 sy 17 Jona. Niteraka hatairana tamin'ny maro tokoa ny fisongadinan'i Shafiq, iray amin'ny “feloul” na “sisa tavela” tamin'ny fitondrana Mubarak. Tarataratra ihany fa ny ankamaroan'ny...
Maoritania: Kapoka Mandrivorivo Nataon'ny Mpianatra Tamin'ny Prezidansa
Nanao fanambarana tsy nampoizina [ar] nandritra ny valan-dresaka nomanin'izy ireo sady nampitain'ny televizionam-panjakana Maoritaniana tamin'ny 3 Mey teo ny vondrona mpianatra Maoritaniana iray. Nambaran-dry zareo ary fa nanandrana nanolikoly azy ireo hampitsaharana ny tolony hitaky ny zon'ny mpianatra sy hampitsahatra ny hetsi-panoherana sy ny sit-ins isan-karazany ny chief of staff Isselkou Ould...
Lahatsary: Fahafahana Manangana Mandritra Ny Fanazarana Manao Media Ao Amin'ny Rising Voices
Nanatontosa ny atrikasa fandraisam-peo ny tetikasa Karen Border News eo amin'ny sisintany manelanelana an'i Myanmar sy i Thailandy, vatsian'ny Rising Voices.
Makedonia: Zavakanto Graffiti Nandritra”Fotoan'ny Antikite Velomina Indray”
Nisy Lahatsary fampafantarana fohy momba ny graffiti Makedonianina ao anatin'ny fotoan'ny fanohanan'ny fitondrana ny zavakanto sady mampiroborobo ny fananganan-trano sy fanorenana goavana nokarakarain'ny manampahaizana vehivavy sady bilaogera roa–Vasilka Dimitrovska sy Ilina Jakimovska–naseho tao amin'ny efi-pivorian'ny tranombakoka vao nohavaozina Buffalo TAG 2012. Nampitondrania ny lohateny hoe “Liona, Mpiady ary ny Artistan'ny Graffiti : Tohitra kolontsaina...
Arzantina: Manova Ny Manodidina Amin'ny Alalan'ny “Hangara” Ara-Kolontsaina
Eo an-dalam-panovana ny manodidina azy amin'ny alalan'ny kolontsaina, zavakanto ary ny fitaovana fampitan'olo-tsotra vaovao ny "Hangara"n-kolontsaina Piedrabuenarte miorina amin'ny tanàna manamorona an'i Buenos Aires, Arzantina. Resadresaka momba izany
Indonezia: Tsy Nomena Alalana Ny Fampisehoan'i Lady Gaga
Taorian'ny fanerena nataon'ny vondrona politisiana mametraka an'i Lady Gaga ho mpivavaka amin'ny devoly, nanambara ny polisy Indoneziana fa tsy hanome fahazoan-dalana amin'ilay fampisehoana nandrasana fatratra hataon'i Lady Gaga tany Jakarta, ka niteraka fahadisoam-panantenana ny mpankasitraka azy mihoatra ny 50.000.
Norvezy: Ireo Resaka Momba An'i Amerika Latina Ao Amin'ny Oslo Freedom Forum
Ny herinandro lasa teo no notontosain'ny Human Right Foundation tao an-drenivohitra norveziana ny Oslo Freedom Forum. Ny teny filamatra “Avy amin'ny aizina mankamin'ny mazava,” avondron'ny forum ny endrika fanta-daza manerantany hiresaka ny krizy mahaolona sy hifanakalo hevitra momba ny fiantraikany. Iray amin'ny nandray anjara fitenenana mandritra ny fotoana mitondra ny lohahevitra...
Kondwani Munthali: Bilaogeran'ny Taona ao Malawi
Sambany teo amin'ny tantaran'ny media ao Malawi no ekena ho fanao manana ny anjara toerany eo amin'ny fanaovan-gazety ny famahanana bolongana. Izany no nanaraka ny fanomezandoka ilay bilaogera sady mpanao gazety Kondwani Munthali niarahana tamin'ny Lokan'ny famahanam-bolongan‘ny taona avy amin'ny Media Institute of Southern Africa (MISA). Ao anatin'ny andro fankalazana ny Andron'ny...
Iran: Tsy Voakapoka in-25 Noho Ny Nanoritsoritany Mpanao Politika Ilay Mpanao Sariitatra
Voasazy [fa] hahazo kapoka 25 noho ny nanoritsoritany ilay mpikambana parlemantera teo aloha ilay mpanao sariitatra Iraniana, Mahmoud Shokraye. Nisy ny fanentanana an-tserasera ho fanohanana azy