Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Jolay, 2012
Venezoelà: Mpanatontosa Sarimihetsika Mandalina An-dahatsary ny Zavamisy An-Tanàndehibe
Amin'izao faha-445 taona an'i Caracas izao dia mizara ny asan'ny mpanatontosa sarimihetsika telo mampiseho ho an'ny mpiserasera monina ivelany sy anatin'i Venezoelà ny zoro isan-karazany ijerena ny renivohitr'i Venezoelà i Laura Vidal.
Etazonia: Tononkalo Notenomina Tao New York
Manasongadina ny poeta avy any Amerika Latinina sy Karaiba ny amboaran-tononkalo ny "Mpanao fanenoman-damba ao New York"
Espaina: Tsy Voasakana Ny Hetsika An-dalambe
Hatramin'ny nahatongavan'ny mpihady tao Madrid, izay nitokony ho fanoherana ny fampihenana hatramin'ny 63% ny tetibolan'ny sehatr'asandry zareo, tsy nitsahatra ny fihetsiketsehana nataon-dry zareo tao an-drenivohitra Espaniola. Mizara ny sary izahay.
Bus Mpizaha tany Isiraeliana Voatafika Tany Bolgaria
Farafahakeliny fito no maty tamin'ny fanafihana tanora Isiraeliana tao amin'ny bus ho an'ny mpizaha tany tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Burgus tao Bolgaria. Milaza ny tatitra fa nataona mpitondra baomba manao vivery ny ainy ny fanafihana, izay na teo akaikin'ny bus na tafiditra tao anaty bus. Araka an'i nrg, nijoro teo anoloan'ny bus...
Zambia: Maro Noho Ny Atleta Ny Manampahefana Ho Any Amin'ny J.O. Londres?
Ny fandraisana anjara no zava-dehibe? Ny tompondaka erantany teo amin'ny 400metatra misy fefy, Samuel Matete, no Zambiana farany nahazo meday olaimpika fony tany Atlanta 1996 raha tany Los Angeles 1984 kosa ny meday voalohany tamin'ny alalan'ny mpanao ady totohondry Keith Mwila.
Libanona: Resadresaka Nifanaovana Tamin'i “Brofessional Review”
Sivy volana lasa izay, nanangana bilaogy mifandraika amin'izay rehetra miompana amin'ny haibika (design) ry zareo. Miandry fatratra izay avoakany na ny heviny ny mpamaky raha vao misy marika na doka fanentanana na varoboba mipaka any amin'ny tsena. Nifampitafatafa tamin'izy ireo hahalalana bebe kokoa amin'izay ataony ny Global Voices Online
Ejipta: Naka ny Pop Corn-ny Ny Farao Lehibe
Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, tsy nankasitrahan'ny Ejipsiana loatra ireo nosafidiany tamin'ny fiodinana farany; nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin'ny fifidianana ny sasany raha nifidy ny kandidà iray noho ny tahotra ilay kandidà hafa kosa maro hafa. Ankehitriny efa i Mohamed Morsi, kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana, no filoha. Mizara ny heviny ny mpiserasera
Ethiopia: Mahazo Vahana Ny Fanoheran'ny Miozolomana
Miha-mipoitra tsikelikely ny fahazotoan'ny miozolomana Ethiopiana manohitra ny fitsabahan'ny fitondrana mihamivandravandra amin'ny raharaham-pivavahany rehefa nanao fanentanana an-tserasera ry zareo tamin'ny volana Mey. Ary rehefa tafidina an-dalambe ny fahazotoan-dry zareo an-tserasera dia nanomboka nampiasa hery tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana federaly Ethiopiana. Araka ny nolazain'ireo mpikatroka ao an-toerana manoratra ao...
Madagasikara : Vita Hatreo Ve Ny Air Madagascar Rehefa Avy Nividy Airbus Tamin'ny Air France?
Voarara tsy mahazo mandia ny faritr'habakabaka eoropeana tamin'ny 2011 ny zotram-pitaterana an'habakabaka Air Madagascar noho ny tsy fanarahany ny fitsipi-piarovana mihatra. Nankalazain'ny fitondrana tetezamita malagasy nanetriketrika tokoa ny fividianana Airbus A340 roa an'ny Air France. Saingy, maro ny fanontaniana nipoitra amin'ny hoe sahaza antsika ve, manao ahoana ny fanomezam-bola sy ny fombafomba nividianana azy sy ny vokatra lavitr'ezaka sy ny faharetany eo amin'ny orinasa.
Lahatsary: Misokatra Ny Fifaninanana Manerantany Horonantsarimihetsika Iray Minitra Momba Ny Tontolo Iainana
Manomboka ny fifaninanana horonantsarimihetsika iray minitra miompana amin'ny tontolo iainana andiany fahatelo karakarain'ny Tve Biomovies. Mahazo mandray anjara avokoa izay rehetra mihoatra ny sivy taona manana fakantsary ka manana hevitra hanao lahatsary (video) iray minitra miompana amin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny tontolo iainana mba hahazoana loka $300 ahafahana mifaninana hahazoana loka goavana kokoa mitentina $1500 sy fandraisana anjara amin'ny valandresaky ny Firenena Mikambana UN COP 18 hotontosaina amin'ny volana Novambra.