Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Desambra, 2007
Afghanistan: Ho raharaha ity ririnina ity
Taterin'i Nasim Fekrat ary fa nampiely hafatra tamin'ny vondro-tafika iraisam-pirenena mieli-patrana manerana an'i Afghanistan ny mpitari-tolona Taliban ny Molaha Omar fa tokony hivonona amin'ny fanafihan'ny Taliban ho maromaro kokoa mandritra ny ririnina ry zareo. [Ny any moa hatsiaka fa ny aty Dago indray orana no mamely foana e!] Adil Nurmakov
Americas: Tamberina nandritra ny taona
Plan Colombia and Beyond no manao tamberina mitsinjara isam-bolana tamin'ny zava-dehibe nitranga tao Kolombia sy Amerika Latina nanditra ny taona 2007. Eduardo Avila
Arahabaina ireo Rising Voices vaovao
Naharenesantsika feo vaovao sy mahery avy amin’ny fiaraha-monina tsy dia hita matetika amin’ny aterineto ny nisokafan’ny vondron’ny fantsom-panomezam-baovao avy amin’ny olom-pirenena na ny tetikasa midina an-tsehatra Rising Voices. Niantso tolotra vaovao hampiroboroboana ity fantsom-panomezam-baovao ity indray izahay tamin’ny volana lasa, mba hisafidianana dimy hafa hanampy ireo izay efa amperinasa any...
Kiobà : ny tahan'ny fisaraham-panambadiana
Regalado [es] no nanoratra ny tahan'ny fisaraham-panambadiana any Kiobà, ary notaterina tamin'izany fa nifarana tamin'ny fisarahana avokoa ny mariazy enina amin'ny folo [izay ankalazaina].
Kenya: Androany no tokony nianiana ny filoham-pirenena vaovao
Nomarihin'ny Mpitsara (mpahay lalàna) Kenyana ary fa araka ny Lalam-panorenana Kenyan dia tokony ho nahavita ny fianianany androany ny filoham-pirenena vaovao: “Ny eritreritro manaraka rehefa nihaino ny mpanao fihetsiketsehana aho; dia nifarana androany ny fe-potoam-piasan'i H E Mwai Kibaki, efa tokony ho filoham-pirenena ho eo ambanin'ny Lalam-panorenena no nianiana androany.” Ndesanjo Macha
Etiôpia : Voadika teny frantsay ny Kebra Nagast
Niresadresahan'ny Roots and Culture (Faka sy kolontsaina) [FR] i Samuel Mahler, ilay nandika nyKebra Nagast vao haingana, lahatsoratra masina ho an'ny kristiana Etiopiana sy ny Rastafaris, ho teny frantsay. Jennifer Brea
Burkina Faso sy ny Hajj (fivahiniana masina silamo)
“Soa ihany fa tsara i Allah ka nanaiky ihany ny fahatongavan'ireto mpanao fivahiniana masina mahantra ka navezivezin'ny fandaminana amorontevan'ny fikorontanana.” hoy ny namaranan'i QuophyBlogeur ny fahoriana nanjo ireo Silamo Burkinabe [FR] nandeha hamonjy fivahiniana masina any Lameka. Jennifer Brea
Serbia : “Novokarina ho meloka”
Ny teny moa eto dia milaza ny fanamelohantena ananan'ny Serba. “Amin'ny alalan'ny fanariana io fanamelohantena io ihany sy amin'ny alalan'ny fahafantarana izay namolavola io fampanamelohan-tena io sy ny tanjona nokendreny no lalampiaingan'ny Serba ho amin'ny fahafahana.” hoy Gray Falcon nanoratra. Ireo vahoaka hafa ao Balkan manko mirehareha avokoa sady mampideradera ny...
Nampody ny masoivohony tany Senegal i Maraoka
Blog politique au Senegal no nanoratra [fr] mikasika ny fanapahan-kevitry ny Mpanjakan'i Maraoka hampody ny masoivohony avy any Senegal noho ny fifanolanana momba ny Sahara andrefana: “Nanaitra ny hambom-pony (ny mpanjaka) angamba ny fahasahiana minisitra sosialista teo aloha nanohitra ny hevitry ny Marokana momba ny hoavin'ny sahraouis.” Jennifer Brea
Madagasikara: Sarin'ny tsena Zoma
Harinjaka no indro mamoaka ny sarin'ny tsenan'Analakely fantatry ny any ivelany amin'ny anarana Zoma eto Antananarivo, Madagasikara. Jennifer Brea