Japana: Firariantsoa sy Vavaka atao amin'ny alalan'ny lahatsary


Onja Lehibe an-i Kanagawa nataon-i Katsushika Hokusai

Ho setrin'ny toe-draharaha any Japana taorian'ny horohorontany, tsunami ary ny krizy nokleary dia nitodika tany amin'ny lahatsary sy ny mozika ny olona ho fomba hanehoany firariantsoa tsara indrindra sy ho fanohanana ny vahoakan'i Japana.

Ao amin'ny bolongany i Chai no nanangona lahatsary vitsivitsy avy amin'ny mpihira izay mihevitra fa ny tahaka izany no farafahakeliny azon-dry zareo atao, mino ny herin'ny mozika hanasitrana ny ratram-po. Ity voalohany ity dia avy amin'i micromicrophone:

Nanampy ny hirany tao koa ry Office Augusta ary ny hevitra mivoaka eo amin'ny lahatsary no lasa karazana fiadian-kevitra ho an'ny olona hampitaha ny filazana momba ny toe-draharaha any amin'ny faritra samihafa any Japana:

Ity manaraka ity indray dia hira fohy sady mamy avy amin'i Takagi Masakatsu:

Gifted on West East, monina any Seattle, Etazonia dia nanoratra hira hip hop mikasika ny voina , mandrisika ny olona hanao sy hanatontosa izay rehetra azony atao hanampiana. Ao anatin'ny hira:

Post in my status, inside im careless
With a couple thousand of miles apart I feel fearless
And see its not me, and so I feel fine
Put it in the backburner have a great time
But that lacks effort with bad track record
instead of back tracking we should really act faster
And keep after, we keep praying
And start to take action instead of just saying…

Mamoaha eo amin'ny satako, anatin'ny tsy fifantohako
Any aman'arivony kilometatra lavitra ahy any no tsy atahorako
Ka mahita fa tsy izaho izany, ary mahatsapa ahy koa salama tsy marofy
Ataovy anaty izany jiro malefadefaka dia manàna fiaina-nofinofy
Saingy ny fahabangan'ezaka sy ny zava-dratsy voarakitra
Fa tokony hisolo ny fandraketa-java-dratsy dia ny miasa malaky eny mantsy
Sy mitandrina hatramin'ny manaraka, hanandratantsika sombim-bavaka
Dia manomboka indray handray andraikitra fa tsy miteny fotsiny ihany

Ary avy Argentina, ilay 15 taona Felipe Troncoso nanolotra ny “Andro Manorana” ho an'ny vahoakan'i Japana:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.