Tamin'ny Talata 8 Marsa 2011 – Andron'ny vehivavy erantany – Nidina an-dalambe hihaika ny rafitra Islamika ao amin'ny fireneny ny mpanao fihetsiketsehana Iraniana (lahy sy vavy).
MetalBoys no nanoratra sambany no nahitanympitandro ny filaminana vehivavy miaraka amin'nykibay eny an-tanana sy sarontava manafina ny endriny tao Tehran. Dimy na enina isam-bondrona ry zareo.
Peikazadi no nanoratra Midaroka ny mpanao fihetsiketsehana, ka anisan'izany ny vehivavy Iraniana mihiaka, ireto mpitandro ny filaminana amin'ny lalana Azadi ireto tokony ho tamin'ny enina ora folakandro.
Mpanao fihetsiketsehana matahotra eto Tehran
Mpitandro ny filaminana eto Tehran
Mihazakazaka tsy mijanona
Mibaiko ny olona tsy hijanona eny an-dalana ny mpitandro ny filaminana.