Andriamifidisoa Zo · Marsa, 2012

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Marsa, 2012

Zon'Olombelona An-Tsarintany Ao Kambodza

Mampiasa sarintany an-tserasera ny mpiaro ny zon'olombelona any Kambôdza hanangonana antontan-kevitra, hanaraha-maso ary hampisehoana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona manerana ny firenena. Sithi na ny vavahadin-tseraseran'ny mpiaro ny zon'olombelona dia manana...

31 Marsa 2012

Koety: Tenifototra Iray Ve Dia Mampigadra Mpisera Twitter?

Satria moa fahita any amin'ny firenen-drehetra ny mpisera Twitter mampiasa tenifototra, dia misy ny tenifototra miforona isan'andro, isan'ora, eny fa na dia isa-minitra aza indraindray. Tany Koety, namorona ny tenifototra #بطارية (bateria na mpiteraka angovon'aratra amin'ny teny Arabo) ary dia vaky ny vavahadin'ny helo. Manazava ny antony amintsika ny mpamaham-bolongana Koesiana Abdullatif AlOmar.

27 Marsa 2012

Sri Lanka: Fihetseham-Po Tamin'ny Fanapahan-Kevitr'i Etazonia Tao Amin'ny UNHRC

Tamin'ny 22 Marsa 2012, firenena 24 no nifidy ny tolo-kevitr'i Etazonia tao amin'ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon'Olombelona nandritra ny fivoriana miresaka momba an'i Sri Lanka ary mandrisika ny fitondrana hametraka ny hafatra avy amin'ny Lessons Learned and Reconciliation Commission (LLRC) [Vaomieran'ny Lesona Nianarana sy ny Fampihavanana] sy hanao famotorana amin'ny fomba azo itokisana ihany koa ny fisian'ny lazaina fa fanitsakitsahana ny zon'olombelona ,nitranga nandritra ny ady an-trano naharitra dia naharitra nifanaovana tamin'ny LTTE misy ny Tigra Tamola mpitaky ny fizakan-tena.

26 Marsa 2012

Lahatsary Gafin'ny “Fifandonan'ny Riba” Navoakan'ny Vondrona Eoropeana

Nisy lahatsary natao ho an'ny tanora efa lehibe nangala-tahaka ny sarimihetsika Kill Bill ary miompana amin'ny "fifandonan'ny riba" nataon'ny Vondrona Eoropeana entina hivelaran'ny Firaisambe Eoropeana. Saingy nesorina ny lahatsary ny 6 Marsa 2012 rehefa niteraka adihevitra mafana noho ny fiampangana azy ho mampiroborobo ny fanavakavaham-bolonkoditra.

23 Marsa 2012