Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Novambra, 2013
Te-Hitolo-Batana Any Shina Indray Ilay Mpitolon'i Tiananmen Saingy Voatosi-Bohontanana
Nangataka ny ho aondrana any Shina Tanibe i Wu'er Kaxi rehefa nitolo-batana tanmin'ny governemanta tany Hong Kong. Saingy naverina tany Taiwan izy fotoana fohy taorian'izany.
GV Face: Dominikana 200.000 Taranaka Haisiana Nongotana Ny Zom-Pireneny

Afa-manaisora ny zo mahaolom-pirenena mihoatra ny 200.000 ve ny firenena iray? Amin'ity herinandro ity isika miresaka amin'ny mpikatroka avy any amin'ny Repoblika Dominikana sy Haiti.
Mampiato ny Servisin'ny Kaonsiliny any Etazonia i Kiobà
Hisy fiantraikany any amin'ny olom-pirenena Kiobana sy ny avy ao Etazonia ny fampiatoana ny servisin'ny kaonsily, noho ny tsy fahafaha-mamita fanaovan-taratasy tahaka ny famoahana pasipaoro, visas, antota-taratasy misy sonian'ny manampahefana, ary ny servisy hafa.
Global Voices Miasa Miaraka Amin'ny Fundación MEPI
Ny Fundación MEPI dia fikambanana mampiroborobo ny fanaovan-gazety tia famotopotorana ao Amerika Afovoany. Hamoaka tsy tapaka ihany koa ny tantara avy amin-dry zareo ny Global Voices, hitondrany anao amin'ny tati-baovao lalindalina kokoa momba ny faritra.
COP19: Mifady Hanina Ho Amin'ny Toetr'Andro
Namaly ny fitokonana tsy hihinan-kanina nataon'i Saño ho fanerena hisian'ny fandrosoan'ny dinika momba ny toetr'andro ao amin'ny Firenena Mikambana ny mpikirakira ny Bilaogy sy Twitter.
Global Voices Meetup Any Skopje, Makedonia

Hotontosaina amin'ny 30 novambra ho avy izao ao Skopje, Makedonia ny Global Voices Meetup manaraka. Miangavy anao miaraha aminay amin'io fivoriana io handrafitra ny hoavin'ny fikambanana GV Makedoniana
SARIPIKA: Tsinjaka sy Ankona Amin'ny Fiadian-Toerana Mondialy Ho Any Brezila
Raha nihinjakinjaka tanteraka i Alzeria, Côte d'Ivoire, Kamerona ary Frantsa, dia levona tanteraka niaraka tamin'ny kiririoka farany kosa ny fanantenan'i Burkina Faso, Senegal, Okraina ary Tonizia hitodi-doha ho any Brezila.
Ho Avy Ny Fihodinana Faharoan'ny Fifidianana Nandrasana Hatry ny Ela Teto Madagasikara
Jean-Louis Robinson nahazo ny 21,1 isanjaton'ny safidy, ary i Hery Rajaonarimampianina nahazo ny tokotokony ho 15,9 isan-jato. Efa nomanina ho amin'ny 20 desambra ny fihodinana faharoa, saingy maro ny fanontaniana mbola mitoetra.
SARIPIKA: Tonga Maro Ny Mpifidy Hanangana Ny Antenimieram-Panorenan'i Nepal
Taha ambony indrindra mahatratra hatramin'ny 70 isanjato no voarakitra ao Nepal nandritra ny fifidianana voalohany taorian'ny faharavan'ny fitondram-panjaka. Ho tontosan'ity antenimieram-panorenana ity ve ny fandrafetana lalampanorenana tsy vitan'ny teo aloha?
SARIPIKA: Miandry Fanampiana Fatratra Ny Sisam-patin'ny Rivodoza Mahery Vaika Ao Filipina
Reraka sy noana, misy ireo sisa niangana tamin'ny tafiotra mahery vaika no lasa mandroba toeram-pivarotana sy ny fitehirizan'entan'ny governemanta mitady hanina, rano ary ny filàna fototra hafa.