Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Aogositra, 2016
Nanao Ny Dihiny Farany Indrindra Ve Ilay Tsirefesimandidin'i Uzbekistan?
"Sambany tao anatin'ny 27 taona, tsy eo amin'ny fifehezana an'i Uzbekistan i Karimov."
Asehon'Ireto Lahatsary Ireto ny Fahalotoana sy ny Faharavana Ateraky ny Fitrandrahana Goavana ny Harena An-kibon'ny Tany ao Filipina
Mampiasa finday ary tonga hatramin'ny fampiasana tantelimby (drone) ireo mpanangom-baovao sy mpanao gazety fanadihadiana hampisehoana ny fandravana ateraky ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany amin'ireo riandrano sy ony ao amin'ny firenena.
Karakarain'ny Sefo Mpahandro Hanina Omena Maimaim-Poana Ho An'Ireo Tsy Manan-Kohanina Ny Ambim-Bavan'ny Lalao Olaimpika
Rehefa natodika hatrany ao Rio ny fifantohana dia toa tsy misy mpijery ireo mahantra ao an-tanàna. Saingy misy fikambanana iray miezaka ny manampy azy ireo.
Ny Fanjavonan'i Wahid Baloch, Literera Sady Mpikatroka Ara-Tsosialy
"Lehilahy iray niady ho amin'ny famongorana ny fandrahonan'ny fampanjavonana ankaterena no lasa lasibatr'ilay heloka bevava indrindra."
Kintan'ny Fanatanjahantena Tiorka Tratra ao Anatin'ny Ady Ifanaovan'i Erdogan sy i Gulen
Na ilay mpilalao baolina fandaka Hakan Sukur na ilay mpilalao kintan'ny basketball ao amin'ny NBA Enes Kanter dia samy diso ankolafy ao anatin'ny fisarahana ara-politika mandrovitra an'i Torkia amin'izao fotoana izao.
Fanavakavaham-Bolonkoditra No Saika Nandaozan'ilay Nahazo Ny Medaly Volamena Voalohan'i Brezila Tamin'ny Lalao Olaimpika 2016 Ny Taranja Judo
"Nolazain-dry zareo fa tsy natao ho ahy ny judo, fotoana nahamenatra ny fianakaviako izany. Ankehitriny aho tompondaka amin'ny lalao olaimpika eto amin'ny tanindrazako".
Takian'ny Ogandey ho ny Sekoly no Avotan'ny Governemanta fa Tsy ny Mpanankarena
Fanomezana ho an'olombitsy ny tombombarotra sy fizarazarana ho an'ny fiaraha-monina ny fatiantoka. Tsy maintsy mandoa ny tsy fahombiazan'orinasa ve isika rehetra raha tsy mba nizara ny tombombarotra azony ry zareo?
Ao Anivon'ny Raharaham-Pitoriana Kolikoly Amina Miliara Dolara Ao Etazonia Ve Ny Praiminisitr'i Malayzia?
"Tezitra aho fa ampiasaina tahaka ny kaontin'ny banky manokana ny vola. Vao maika mahatezitra ny fahitana fa tsy azo kitihina eto ny manampahefana malayziana voalohany.."