Favelan'i Rio de Janeiro Jerena Amin'ny Fakantsary Kapoakan'ny Tanora Mponina ao An-toerana

foto de Juliana de Oliveira - localidade: Santa Tereza

Santa Tereza, manakaiky an'i Rio de Janeiro. Saripikan'i Juliana de Oliveira, nahazoana alalana.

Kapoaka iray ahitana lavaka kely sy tadilamba famonosana. Sahala amin'ny hoe mora atao, fa eo indrindra no misy ny fahasarotana aminy. Raha hanapika sary amin'ny fakantsary nomerika atao “mode automatique” ianao, ny hany ataonao dia ny mi-clic fotsiny (mitendry ny fanapihan-tsary). Saingy tsy vitan'izany kosa no atao raha amin'ny fakantsary kapoaka, renin'ny fakantsary rehetra: mila faharetana sy fifantohana aloha raha vao manomboka, fa tsy maintsy mahalala ihany koa ny fitsipika fototry ny fanapihana sary, dia amin'ny fifehezana ny hazavana izany. Aorian'izany ny fahaizana maka sary an-tsaina, fakana aingam-panahy ary ny faharisihana ny ambiny.

Izay izany ny mombamomba ny tetikasa “Mão na Lata” (Tanana eo amin'ny kapoaka). Mizara fakantsary kapoaka amin'ny tanora anelanelan'ny 12 ka hatramin'ny 18 taona ao amin'ny Complexo da Maré, tanàna manamorona an'i Rio de Janeiro ahitana favelas 16 izay onenan'ny olona 130.000. Miainga amin'ny fanamboarana ny fakantsary, vita amin'ny kapoakam-bovo-dronono, ka hatramin'ny fandrafetana ny “negatifa”, ny mpandray anjara avokoa no manao ny zava-drehetra, izay nangatahana handrakitra an-tahirinkevitra ny fiainana andavanandron'ny fiarahamonina misy azy amin'ny [sary] maintsy sy fotsy.

Mão na Lata, izay natsangan'ny mpaka sary Tatiana Altberg, no nanolotra atrikasa sy literatioran-tsaripika hoan'ny tanora avy ao amin'ny fiarahamonina ho fiaraha-miasa amin'ny ONG Redes da Maré (Tambajotran'i Maré) hatramin'ny 2003. Tamin'ny 2012 i Altberg no nahazo fanohanana avy amin'i Petrobrás, orinasam-panjakana misahana ny solika, tamin'ny alalan'ny Lalàna Breziliana Rouanet (izay mandrisika ny orinasa hanokam-bola amin'ny tetikasan-kolontsaina), mba hampivelatra ny tetikasa “Miainga amin'ny namboarina ka mankany amin'ny nomerika”, izay ianaran'ny mpianatra ny lesona tsotra indrindra amin'ny saripika nomerika ankoatra ny saripika an-kapoaka. Nandrisika ny mpianatra ihany koa ny tetikasa hanapika sary ireo toerana voatonona ao amin'ny bokin'i Machado de Assis, Breziliana iray mpanoratra nonina tao Rio de Janeiro tamin'ny taonjato faha-19 ary iray amin'ireo anarana fanta-daza indrindra amin'ny literatioran'ny firenena.

Nahavitana boky mitondra ny lohateny hoe “Cada Dia Meu Pensamento é Diferente” (Hafa isan'andro ny eritreritro), ahitana ny tsangan'asan'ireo tanora ireo, izay navoakan'ny trano mpanao printy NAU tamin'ny 2013, izany fandraisana an-tanana izany.

foto de Yasmin Lopes - localidade: Ramos

Ramos, manakaiky an'i Complexo da Maré. Saripikan'i Yasmin Lopes, nahazoana alalana.

foto de Rafael Oliveira - localidade: Passeio Público, Centro

Passeio Público, afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro. Saripikan'i Rafael Oliveira, nahazoana alalana.

Manoratra momba ny tetikasa i Eliana Souza Silva, talen'ny Redes da Maré, ao anatin'ny boky:

Essa obra coletiva caracteriza-se por articular qualidade artística e impacto político. Afirma que os moradores da Maré criam e se (re)inventam todos os dias, como quaisquer cidadãos da polis. A iniciativa é parte do projeto maior da Redes da Maré, instituição que aposta em iniciativas que criem/estimulem experiências estéticas como parte fundamental da vida humana, numa região importante da cidade do Rio de Janeiro, a Maré. […] Tudo isso, reconhecendo esse processo como um direito que se negou historicamente a uma parcela da sociedade brasileira”

Mitondra kalitao artistika sy fiantraika ara-politika ity asa niaraha-namita ity. Manamafy fa manorina sy mamorona isan'andro ny zavatra ataony ny mponin'i Maré, tahaka izay ataon'ny olom-pirenena hafa avy amin'ny polis [tanàndehibe] ihany. Tafiditra ao anatin'ny tetikasa lehiben'ny Redes da Maré, fikambanana mpanorina iray izay mitoky amin'ny famoronana/fandrisihana ny haikanto ho manana anjara fototra ao anatin'ny fiainan-janak'olombelona avy ao amin'ny faritra Rio de Janeiro, Maré ity fandraisana an-tanana ity. […] Izao lalam-pankatoavana izao dia toy ny zon'ireo ampahan'ny mponina breziliana izay notsinotsinoavina ara-tantara. 

foto de Géssica Nunes - localidade: Rua do Miolo, Nova Holanda, Maré

lalana Miolo ao Nova Holanda, Complexo da Maré. Saripikan'i Géssica Nunes, nahazoana alalana.

foto de Nicole Cristina da Silva - localidade: Arcos da Lapa

Lapa Arches, afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro. Saripikan'i Nicole Cristina da Silva, nahazoana alalana.

Manazava ny aingam-panahy niteraka ny fisafidianana ny lohatenin'ny boky i Altberg sy i Luiza Leite, mpampianatra literatiora izay niasa niaraka tamin'ny fanontana ny boky:

O título do livro é um fragmento de um dos textos produzidos por um dos alunos do projeto. Queríamos um título capaz de ressaltar a qualidade cambiante do pensamento reflexivo, conquistado pelos alunos após um prolongado processo de criação.

Tsonga avy amin'ny andran-tsoratra nataon'ny iray amin'ny mpianatra ny lohatenim-boky. Nitady lohateny afa-maneho ny fiovan'ny kalitaon'ny fisainana mieritreritra lalina, zavatra iray tratran'ny mpianatra taorian'ny lalana lavitra mankany amin'ny famoronan-javatra izahay.

foto de Jonas Willami Ferreira - localidade: Rua do Rosário, Centro

Rua do Rosário, Centro. Saripikan'i Jonas Willami Ferreira, nahazoana alalana.

Morro do Livramento, Gamboa. Foto de Larisse Paiva, publicada com autorização.

Havoana Livramento, Gamboa. Saripikan'i Larisse Paiva, nahazoana alalana.

 Jonas Willami, 17 taona, no nanoratra izany andra-tsoratra izany ary nilaza izao tamin'ny lanonana namoahana ny boky:

Me deu mais paixão pela fotografia. Foi uma sensação muito boa, de ver a felicidade de todos aqui no lançamento, pois não é apenas um projeto, somos uma família. E a frase se encaixa perfeitamente no eixo da história que se passa o livro.

Nahatonga ahy hankafy fatratra ny pikantsary izy ity. Misy fahatsapana mahafinaritra izany, ny mahita ny hafalian'ny rehetra eto amin'ny lanonam-pamoahana ny boky, satria tsy tetikasa fe tetikasa fotsiny ity, fa fianakaviana iray izahay. Ary mifandray tsara amin'ny tantaran'ny boky io fehezanteny io.

foto de Augusto Araújo - localidade: Rua Sargento Silva Nunes, Nova Holanda, Maré

Sargento Silva Nunes st., Nova Holanda, Complexo da Maré. Photo by Augusto Araújo, published with permission.

foto de Lucas Eduardo Mercês da Costa - localidade: Palácio do Itamaraty, Centro

Lapan'i Itamaraty, afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro. Saripikan'i Lucas Eduardo Mercês da Costa, nahazoana alalana.

Namoaka lahatsarim-panadihadiana momba ny tetikasa ihany koa i Altberg (amin'ny teny Portiogey, tsy misy dikantsoratra):

Ao anatin'ny boky i Ana Maria Mauad, profesora miara-miasa amin'ny Departemantan'ny Tantara ao amin'ny Oniversite Federalin'i Fluminense, no maneho ny eritreriny amin'ny saimbôlisma sy ny tsy fisian'ny fiankinan'ny fotoana ao amin'ireo sary ireo:

O mundo que conhecemos com essas imagens atravessa os tempos, reunindo passado e presente – os Rios de Machado, do conflito, da pacificação, da vida das pessoas comuns nas suas fascinantes excepcionalidades.

Manavatsava ny fotoana, mampiray ny lasa sy ny ankehitriny ilay tontolo hitantsika amin'ny alalan'ireo sary ireo – ilay “Rio de Janeiro” an'i Machado de Assis, ao anatin'ny ady, ao anatin'ny fampandriana ny tany, ao anatin'ny fiainana andavanandron'ny olona tsotra rehetra ao amin'ny fananany zavatra mampiavaka manokana azy ireo mahavalalanina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.