· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Marsa, 2018

Egypta: Milaza Zavatra Betsaka Ny Lahatsary

  17 Marsa 2018

Miomana amin'ny andro faha-efatra amin'ny fihetsiketsehana ny governemanta Egyptiana. Nandefa teny fampilazana sy nizara lahatsary tamin'ny Aterineto ny mpikatroka. Nihetsika ny governemanta tamin'ny alàlan'ny fanakatonana ny tambajotra iray manontolo. Famintinana vetivety ireo lahatsary nalefa tao amin'ny Youtube mandrisika ny olona hanatevin-daharana ny hetsi-panoherana notontosaina ny andro Zoma.

Palestina: Ny Sarin'ny Fandalovana Tao Gaza

  15 Marsa 2018

Ho an'ireo Palestiniana voaraoka tamin'ny taniny,  zava-tsarotra sy mampalahelo ny fiverenana an-tanindrazana indray. Nitsidika an'i Gaza ilay bilaogera Palestiniana Ibrahim ary tsy nahaloa-peo izy nahita izany.  Ny rakitsariny no navelany ho antsika mba hamintinana ny fitsidihany

Egypta: Ny Hira Rap-n'ny Revolisiona

  12 Marsa 2018

Mampahafantatra antsika ny tarika mpihira rap Egyptiana antsoina hoe Arabian Knightz izay maniry ny hanaparitaka ny fomba fijeriny momba  ny hetsika mitranga ao amin'ny fireneny ny Mideast Tunes.

Eman Hashim Mibilaogy Manohitra Ny Berlitz Ejypta

  08 Marsa 2018

Nanimba ny lazan'i Berlitz Ejypta ve ny kolikoly? Nanoratra tao amin'ny facebook sy tao amin'ny bilaoginy ilay bilaogera Ejiptiana Eman Hashim, manontany tena ny amin'ny fomba nahazoan'ny mpianany ny naoty sy ny mari-pahaizana kanefa tsy nanome na ny naoty na ny taratasim-panadinana ho azy ireo mihitsy izy.