Egypta: Milaza Zavatra Betsaka Ny Lahatsary

(Marihina fa tamin'ny 28 Janoary 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Anisan'ny fandaharana manokana ny Hetsi-panoherana tany Egypta ny taona 2011 ity lahatsoratra ity .

Nizara teny fampilazana sy nizara lahatsary tamin'ny aterineto ny mpikatroka tamin'ny fanomanana ny andro faha-efatra nanaovana fihetsiketsehana, nanentana ny olona mba hanatevin-daharana ny hetsi-panoherana notontosaina ny Zoma. Nihetsika ny governemanta tamin'ny alàlan'ny fanakanana ny fidirana tamin'ny sehatry ny media sosialy maro talohan'ny nanakatonana tanteraka ny tambajotra iray manontolo ny marainan'ny  28 Janoary. Mbola maro ireo horonantsary nalefa no hita tao amin'ny YouTube. Famintinana vetivety:

Lasa nalaza be ity lahatsary avy amin'ny hadi15 ity minitra vitsy taorian'ny nivoahany antserasera. Manasongadina hira iray avy amin'ny tarika rock Thirteen Senses, “Into the Fire” izy ity, mitantara ny telo andro farany momba ny hetsi-panoherana an-dalambe ilay lahatsary, ary manasongadina ny fahasamihafana nisy teo amin'ireo mpanao diabe: tanora sy antitra; lehilahy sy vehivavy; Miozolomana, Kristiana, tsy mpino, izay mihira avokoa ny teny filamatra; noho ny antony tokana izany rehetra izany.

Nandefa ity horonantsary ity tao amin'ny YouTube i (Anonymousworldwar3), vondrona mpikatroka malalaka manohana ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao antserasera, nampitandrina ny governemanta Egyptiana mba hampitsahatra ny sivana :

 

Namoaka ity lahatsary ity mitondra ny lohateny hoe Sharek  i sharek2011 , mandray anjara, miantso ny olona mba hanatevin-daharana ireo mpanao diabe :

Lahatsary iray hafa avy ao amin'ny TowardsUnity  izay manasongadina ireo andro vitsy farany nisian'ny fifandonana:

http://www.youtube.com/watch?v=25N2HQ86zJg

Ny kianja lehiben'i Kairo, Maydan El-Tahrir izay nangalan'i sarahngb ity lahatsary ity no natao kianja foibe ho an'ireo  mpanao fihetsiketsehana tao Kairo:

http://www.youtube.com/watch?v=18l2mAhraQ0

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.