Inona No Novakian'ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny (5 – 11 Marsa 2018)

Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, Wrote. CC BY-NC 2.0

Mikaroka, manoratra, mamoaka lahatsoratra, ary mandika tantara ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices amin'ny tanjona hanohanana ny zon'olombelona sy hananganana ny tetezam-pifanakalozana manavatsava firenena, kolontsaina ary fiteny.

Tsy mamoaka lahatsoratra fotsiny izahay mba hahazo ‘kitika’ na hanaraka fironam-baovao fa manao izany kosa izahay satria tianay hatrany mba hisy fiantraikany manerana izao tontolo izao ny asa mafy ataonay.

Noho izany, ny fomba iray ilaina mba hamantarana izany dia ny fomba hamalian'ny mpamaky ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Andeha hojerentsika ary hoe iza ireo mpamaky ary inona avy ireo lahatsoratra nahasarika ny sain'izy ireo nandritra ny herinandron'ny 5 ka hatramin'ny 11 Martsa 2018.

Aiza eto amin'izao tontolo izao no ahitana ireo mpamaky ny Global Voices?

Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 209 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices :

  1. Etazonia
  2. Japana
  3. Frantsa
  4. Brezila
  5. Meksika
  6. Kanada
  7. Espaina
  8. Trinité sy Tobago
  9. Kolombia
  10. Fanjakana Britanika
  11. Italia
  12. Rosia
  13. Alemaina
  14. India
  15. Filipina
  16. Bangladesh
  17. Arzantina
  18. Indonezia
  19. Però
  20. Taiwan

Saingy ampahany kely amin'ny fahasamihafana misy eo amin'ireo mpamaky ihany ireo. Andao ampiasaintsika ny  True Random Number Generator avy ao amin'ny Random.org ary hanao topi-maso kely ireo firenena vitsivitsy hafa ao amin'ny lisitra isika:

70. Repoblika Tseky
152. Kosovo
159. Goiana
22. Madagasikara
93. Palestina

Global Voices amin'ny Teny Anglisy

Ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana ny ankamaroan'ny votoaty mivoaka voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireto ny lahatsoratra dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:

1. Miteraka Tahotra Noho Ny Fampijaliana, sy Antony Ara-politika ny Fanagadrana Mpandraharaha tao Kazakhstan
2. Manambàka Sy Maharomotra Ireo Manam-pahefana Mpanao Sivana Shinoa Ilay Sarinteny Ankamantatra Momba Ny Fetiben'ny Fanilo
3. Mainty Hoditra ao Tokyo: Lahatsary Fanadihadiana Momba Ny Fiainana Ao Japana [mg]
4. Lesona momba ny Fiteny: Mbola Miady Hevitra Momba ny Fiteny i Kazakhstan [mg]
5. Ahoana No Raisina Diso Toy ny Kabarim-pankahalana ao Amin'ny Media Makedoniana ny Esoeso Grika Anti-Nationalista

Lingua Global Voices

Ny Lingua dia tetikasa iray mandika an-tsoratra ireo tantara ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny hafa ankoatra ny teny Anglisy. Misy 30 eo ho eo ny tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ny tantara be mpamaky indrindra na nanaovana fandikanteny tao amin'ny tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa teo.

Arabo

Aymara

Bangla

Bolgara

Shinoa (notsorina)

Shinoa (nentim-paharazana)

Tsheky

Holandey

Esperanto

Farsi

Frantsay

Alemà

Grika

Hindi

Hongroà

Italiana

Japoney

Koreana

Kiorda

Makedoniana

Malagasy

Nepaley

Pôlôney

Portiogey

Punjabi

Romaniana

Rosiana

Serba

Espaniola

Tiorka

Urdu

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.