Palestina: Ny Sarin'ny Fandalovana Tao Gaza

(Tamin'ny 14 Septambra 2009 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ho an'ireo Palestiniana tafala tamin'ny fototra nisy azy, zava-tsarotra sy mampalahelo ny fiverenana an-tanindrazana indray. Nitsidika an'i Gaza ilay bilaogera Palestiniana Ibrahim ary tsy nahaloa-peo izy nahita izany.  Ny rakitsariny no navelany ho antsika mba hamintinana ny fitsidihany .

Nandalo nandritra ny iray volana nitsidika an'i Gaza ilay bilaogera, monina any Eoropa sy mamahana bilaogy ao amin'ny Palestine Technoblog. Hoy izy nanoratra:

وكنت قد نويت أن أكتب عن الرحلة ، ولكني لا أجد الكلام المناسب، بجد الرحلة كانت ممتعة بكل ما في الكلمة من معنى . ولكنها لم تكن كافية ، حاولت أن أطفآ ما بداخلي من شوق وحنين ، ولكني لم استطع لذا سأحاول بكل ما اوتيت من قوة أن أعود بشكل دائم إلى غزة قريبا بإذن الله . أما لهذه التدوينة فسأضع بعض الصور بشكل تسلسلي . أترككم مع الصور

Efa nikasa ny hanoratra momba ity dia ity aho saingy tsy hitako ny teny tokony ilazana azy. Ny tena marina, nahafinaritra ilay dia, miaraka amin'ny dikan'izany teny izany rehetra. Saingy tsy ampy. Niezaka ny hanadino tanteraka ny fahatsiarovako rehetra aho, saingy tsy nahavita, na dia niezaka aza aho. Manantena aho fa afaka hiverina any Gaza tsy ho ela raha sitrapon'Andriamanitra. Ato amin'ity lahatsoratra ity, handefa sary vitsivitsy araka ny laharana nakana azy ireo avy aho. Avelako miaraka amin'ireo sary ianareo.

Ireto ny sasany tamin'izany:

The blogger enjoys a day with his family by the sea
Nanararaotra niaraka tamin'ny fianakaviany teny amoron-dranomasina ilay bilaogera
A Gaza celebration
Ny fety tao Gaza
The Gaza Skyline
Faravodilanitra ao Gaza
Digging into local dessert
Mankafy ny tsindri-tsakafo ao an-toerana
Destroyed buildings..a reminder of war
Trano rava, mampahatsiahy ny ady

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.