Egypta: Mijery Ireo Lohahevitra Nozaraina Tao Amin'ny Twitter (2011)

(Marihina fa tamin'ny 28 Janoary 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy) 

Anisan'ny fitateram-baovaonay manokana ny Hetsi-panoherana tany Egypta ny taona 2011 ity lahatsoratra ity.

Sary avy amin'i  Antonio Ordóñez Forero CC By

Nitana andraikitra ara-pitaovana ny Twitter tamin'ny fitazonana izao tontolo izao hanaraka ny fandrosoana farany indrindra tany Egypta, izay nahitàna ny andro fahaefatry ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondran'ny filoha Hosni Mubarak izay nitondra nandritra ny 30 taona .

Mampiseho ny votoatin'ny Twitter milaza ny tenirohy #jan25 nandritra ny telo andro farany ity sary manaraka ity, ary misy ifandraisany amin'ny teny voalaza ao amin'ny hafatra nalefan'ny olona tao amin'ny Twitter avokoa izy rehetra :

Ny iray tamin'ireo teny nozaraina matetika hoe ‘Baomba mandatsa-dranomaso’ dia niakatra mialoha androany rehefa nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ny tafika mitam-basy, sy tamin'ny bala fingotra tamin'ireo vahoaka teny an-dalambe:

Nitana anjara toerana lehibe tamin'ny fanangonam-baovaon'ny zava-nitranga ny Al Jazeera araka ny fotoanany avy ary nandefa izany mivantana avy any Kairo:

Iray tamin'ireo mpisera Twitter fototra nanaparitaka ny vaovao farany manerana an'i Egypta ny @sultanalqassemi ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra :

Koa satria niparitaka nanerana ny faritra ny vokatry ny fihetsiketsehana dia hitantsika ny fiakarana goavana tao amin'ny angondrakitry ny Twitter noho ny filazana tsy voamarina fa voasakana ny aterineto tao Syria:

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.