Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Voalohany Tao Anatin'ny 40 taona I Iràka No Nampiantrano An'I Arabia Saodita  Na Dia Teo Aza Ny Fandraran'ny FIFA

Kianjabe Iraisam-pirenena Basra, Basra, Iraka. Sary avy amin'i Yesar Al-Maleki tao amin'ny Wikimedia (CC BY 3.0)

Nampiantrano ny lalao baolina kitra nifanandrinany tamin'i Arabia Saodita voalohany tao anatin'ny efa-polo taona Iraka. Natao tany amin'ny tanàndehibe atsimo ao Basra nahitana mpijery miisa 65.000 ny lalao am-pirahalahiana teo amin'ireo ekipa nasionaly roa ireo.

Na dia tokony ho hankalazaina aza ny fandresen'i Iraka an'i Arabia Saodita tamin'ny isa 4-1, ireo manampahefanan'ny baolina kitra Irakiana kosa dia mikendry karazana fandresena amin'ny fomba hafa. Noraràn'ny FIFA, federasiona ho an'ny baolina kitra iraisam-pirenena, i Iraka tamin'ny fampiantranoana ny lalao fifaninanana iraisam-pirenena hatramin'ny nanafihany an'i Koety mpifanolo-bodirindrina aminy tamin'ny taona 1990 izay nitarika ho amin'ny fandrarana iraisam-pirenena. Tamin'ny volana Aogositra 1990, niditra tao Koety i Iraka ary nibodo ny toerana nandritra ny fito volana talohan'ny nirotsahan'ny mpiaradia amin'ny Firenena Mikambana antsehatra izay notarihin'i Etazonia mba handroahana ny tafika Irakiana izay nantsoina hoe ny Adin'ny Helodrano Voalohany.

Raha efa namela an'Iraka hampiantrano lalao ara-pirahalahiana aza ny FIFA vao haingana dia mbola nandrara azy tsy handray lalao amin'ny dingana fifanintsanana Amboara Manerantany 2018 ao amin'ny fireneny.

Manantena ireo manampahefana Irakiana fa hanaporofo ny fampiantranoana lalao ara-pirahalahiana, ny fanavaozana kianjabe, sy ny fandrarana fitaovam-piadiana, fa manana ny fotodrafitrasa i Iraka ary azo antoka fa ampy hanafoanana ny fandraràna amin'ny fampiantranoana ny lalao fifaninanana izany. Nanasa ny filohan'ny FIFA Gianni Infantino izy ireo mba hanatrehany maso izany saingy tsy tonga izy. Mbola manantena hatrany izy ireo alohan'ny fanapahan-kevitry ny FIFA na hanafoana na tsia ny fandraràna amin'ny volana Martsa 2018 farafahatarany.

“Manantena aho fa hanome aingam-panahy ireo ekipa nasionaly hafa mba hitsidika an'Iraka ity lalao ity, izay hanampy amin'ny fanohanana ny raharahanay amin'ny fanafoanana tanteraka ny fandraran'ny FIFA ny lalao ao amin'ny kianjabenay,” hoy i Abdulhussein Abttan, minisitry ny fanatanjahan-tena sy ny tanora, tamin'ny antsafa nifanaovany tamin'ny masoivohom-baovao AFP.

Manantena ny fanohanan'i Arabia Saodita sy ireo firenena hafa ao amin'ny Helodrano ihany koa i Abttan mba hanampy amin'ny raharaha hanafoanana ilay fandraràna. “Tsikaritra amin'ny sehatra rehetra ny politika ary manana ny lanjany ara-politika lehibe i Arabia Saodita. Manantena ny ekipan'i Bahrain, Qatar, ary Iran ihany koa izahay, izay samy manana lanjany ara-politika amin'ny resaka fanatanjahantena avokoa . “

Naneho ampahibemaso ny fanohanany ny fanafoanana ny fandrarana i Sheikh Hamad al-Thani, filohan'ny Fikambanan'ny Baolina Kitra ao Qatar .

Diplaomasian'ny baolina kitra

Taona vitsy lasa izay no nanapa-kevitra hifanatona ara-tantara i Iraka sy Arabia Saodita taorian'ny disadisam-pifandraisana nandritra ny am-polo taonany maro.

Namerina nanamafy ny fifandraisany indray ireo firenena roa ireo tamin'ny taona 2016 rehefa nosokafana tao Baghdad indray ny Masoivoho Saodiana ary nisy ny dingana lehibe natao mba handrosoana lavidavitra kokoa. Nikasa ny hanokatra ny masoivoho tany Basra sy Najaf noho izany i Arabia Saodita ary nanokatra indray ny sisintany miampita an'i Arar mba hampiroboroboana ny varotra. Tao anatin'ny ezaka hanampiana ny fanarenana an'i Iraka vokatry ny faharavan'ny ady nandritra ny taona maro dia nanome iray lavitrisa dolara Amerikana tamin'ny alàlan'ny Tahirim-bolan'ny Fampandrosoana Saodiana i Arabia Saodita.

Raha natao hanamafisana ny fifamatorana ny diplaomasia ara-politika sy ara-toekarena dia ny diplaomasian'ny baolina kitra kosa no nampifandray ireo  firenena roa tonta tamin'ny dingana manokana. Nankatoa ny fandehanan'ny ekipam-pirenena Saodiana nankany Basra  ireo Irakiana noana baolina kitra mba hahafahan'izy ireo mijery mivantana ireo lalao amin'ny dingana iraisam-pirenena sady mba hanohanan'izy ireo ny fanafoanana ny fandrarana ihany koa.

Tsy mbola nifanandrina tamin'i Arabia Saodita tao amin'ny taniny mihitsy Iraka nanomboka tamin'ny taona 1979, herintaona talohan'ny nanombohan'ny adin'i Iran sy Iraka, ka nahatonga izany ho fotoana nisongadina ho an'ireo mpankafy baolina kitra Irakiana. Talohan'ny lalao,  nanomboka ny fanentanana tao amin'ny media sosialy i Arkan Taqi, mponina ao Basra, tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny tenirohy hoe دارك_يالاخضر# , izay midika hoe “Ry maitso, ato an-tranonareo ianareo”, ary nanome ny fandraisana an-tanandroa mafana ho an'ny Saodiana.

Ankizy Irakiana iray mandoko ny sarin'ny sainam-pirenena Irakiana eo amin'ny endriny miaraka amin'ny teny hoe “Ry Maitso, ato an-tranonareo ianareo” tao amin'ny fanentanan'ny media sosialy izay niarahaba tongasoa ny ekipam-pirenena Saodiana. Sary avy amin'i Abdulrahman Meshbib avy any Al Riyadiya.

Nanangana ny sainam-pirenena Saodiana sy Irakiana ireo Irakiana miaraka amin'ny fitiavana tsy hita nandritra ny 30 taona.

Irakiana iray mitondra sora-baventy mivaky hoe “Ho mpirahalahy mandrakizay isika.”

#RyMaitso, ato an-tanindrazanareo ianareo

Niharihary tamin'ireo Saodiana ny fandraisana mafana avy amin'Iraka noho izy ireo nizara ny fankasitrahany.

Misaotra anareo tamin'ny fandraisana mafana ny ekipam-pirenena Saodiana, tsy mahagaga izany raha avy amin'ny vahoaka Irakiana .

Manodiava ireo fampitam-baovao voavidy vola izay mampiseho an'i Iraka amin'ny endrika ratsy. Lafo ny tapakila ary noraisina an-tanandroa ny ekipanay. Misaotra anareo ary Andriamanitra anie hiaro an'i Iraka sy ny vahoakany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.