Egypta: Nahavita Niala Tamin'ny Fanakanana Ny Aterineto Ny Lahatsary Roa 

(Marihina fa tamin'ny 28 Janoary 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Anisan'ny fanangonam-baovao momba an'i Egypta ity lahatsoratra ity.

Nahasarotra ny fandefasana sary momba ny zava-nitranga tao Egypta ny fahatapahan'ny Aterineto sy ny tambajotra finday tany Egypta tao anatin'ny andro vitsivitsy, saingy nahavita niodidina izany ny horonantsary sasany. .

Mampiseho ireo polisy misahana ny rotaka mihemotra manoloana ireo mpanao fihetsiketsehana, izay hita fa maro be mihoatra azy ireo, ireto horonantsary roa ireto. Rehefa niampy ny fihetsik'ireo tafika tsy nampoizina , izay nidina an-dalambe araka ny baiko saingy toa tsy nampihatra ny tsy fahafahana mivoaka amin'ny alina izy ireo, ka dia nidera azy ireo mihitsy aza indraindray ny mpanao fihetsiketsehana, azo heverina fa tsy manohitra ireo mpanao fihetsiketsehana ny tafika amin'ity tolona ity.

Voalohany, sombin-dahatsary nalaina avy teny tamin'ny tranobe iray: ny tetezana Kasr Al Nil tao Kairo, nahitana ny fifandonan'ny polisy misahana ny rotaka sy ny mpanao fihetsiketsehana. Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso, nihemotra ny mpitandro ny filaminana

Ato anatin'ity lahatsary manaraka ity ny sombin-dahatsary ahitana ny fifandonana teny an-dalambe afovoan'i Kairo, izay mampiseho ny mpijery ny fotoana nihemoran'ny polisy manoloana ireo mpanao fihetsiketsehana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.