· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Marsa, 2018

Tonizia: Fankalazana ny Faha-10 taona Nahafatesan'i Bourguiba

  24 Marsa 2018

Nahatsiaro ny tsingerintaona faha-10 nahafatesan'ny filoham-pireneny voalohany - Habib Bourguiba ny Toniziana. Mpisolovava Toniziana, mpitondra fanjakana ary mpanorina ny Repoblika Toniziana izy, izay nitondra ny firenena nanomboka ny 25 Jolay 1957 hatramin'ny 7 Novambra 1987.

Tonizia: Miteny Anglisy Ireo Bilaogera Toniziana

  23 Marsa 2018

Nialàn'ny bilaogera Toniziana hatrizay ny maneho hevitra amin'ny teny Anglisy (fiteny fahatelo ao amin'ny firenena), fa aleony manoratra amin'ny teny Arabo (indraindray amin'ny fitenim-paritra Toniziana) na Frantsay. Saingy vao haingana, nampiasa teny Anglisy tamin'ny lahatsorany ireo bilaogera sasany.

Egypta: Ny Tranonkalan-gazety El Koshary

  21 Marsa 2018

Nankasitrahan'ireo bilaogera ny tranonkalam-baovao mpanesoeso vaovao malaza iray nosokafana tany Egypta. El Koshary, izay nomena anarana hoe sampam-baovao azo antoka indrindra ao Egypta.

Jordania: Ny Lahatsarin'ny Fanovana Ara-tsosialy!

  18 Marsa 2018

Maro ireo hetsika ara-tsosialy antserasera niforona tato anatin'ny taona vitsivitsy noho ny firongatry ny fahalalahana tamin'ny aterineto tany Jordania. Mijery akaiky momba ny Aramram ato amin'ity lahatsoratra ity i Mohammad Azraq .