· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jona, 2018

Goatemalà: Ahoana No Hanavotana Ny Tahirim-Pirenena ao La Danta?

  04 Jona 2018

Ny piramida iray amin'ireo goavana indrindra eto ambonin'ny tany, noho ny habeny, dia ny piramida ao Danta, ao Goatemalà no ahitàna azy, ao anatin'ny iray amin'ireo valanjavaboahary tsy fahita firy mitahiry ny tontolon'ny zavamananaina eto amin'ny planeta. Saingy mitera-doza ho an'io valanjavaboahary io ireo doro tanety sy ny tsy firaharahiana.

“Ny herisetra no tsirinkevitra hiadiankevitra”

NewsFrames  04 Jona 2018

Mino aho fa mahaliana ny mihevitra ireo voambolana mifandraika amin'ny "herisetra" mikasika ny ady amin'ny zom-pirenena Shuar, satria voambolana niezahan'ny tsirairay lazaina sy faritana izany. Ny herisetra no tsirinkevitra hiadiankevitra, ary mino aho fa mampiseho izany ity sary ity.

Shily: Eritreritra momba ny horohorontany sy ny dingana fanarenana

  01 Jona 2018

Ny Fihaonamben'ny Median'olon-tsotra Global Voices 2010 dia mikasa hampandray anjara ireo bilaogera Shiliana amin'ny alàlan'ny fifaninanana bilaogy nokarakaraina niaraka tamin'ny fiarahamiasan'ny fikambanana OCD Iberoamérica. Tamin'ny andro voalohan'ny hetsika ho an'ny daholobe, bilaogera Shiliana dimy no nomem-boninahitra amin'ny mahafinalista azy ireo, ka ny iray no mibata ny loka lehibe indrindra.