Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Febroary, 2018
10 Taonan'ny Bilaogy: Misy Lanjany Amin'ny Haino Aman-jery Nentim-paharazana Ve Ny Bilaogy?
Raha namaky fanehoan-kevitra momba ny tsingerintaona faha-10 ny bilaogy (anisan'izany ireo navoaka tao amin'ny El País [ES] ao Espaina sy ny Infobae [ES] ao Arzantina), nieritreritra momba ny lahatsoratra navoakan'ny El Comercio ao Ekoadaoro aho.
Jorge Jurado Mi-Rap Momba Ny Median'Olon-tsotra
Iray amin'ireo tanora 20 eo ho eo ao amin'ny vondrom-piarahamonina sarangan'ny mpiasa ao amin'ny manodidina an'i San Javier La Loma izay mandrafitra ny vondrona median'olon-tsotra "ConVerGentes" i Jorge. Mpandravaka sady mpanakanto hip-hop izy, namokatra lahatsary fanadihadiana fohy momba ny kolontsaina graffiti ao Loma sady mibilaogy ny La Voz del Silencio.
Venezoela: Samuel Villegas Sy Ny Bokiny Farany
Samuel Villegas, Venezoelana mpanoratra noderaina, nalevina taorian'ny taona maro nakàny aina noho ny tsy fahasalamana. Andro vitsivitsy nialohan'ny nahalasanany, nomem-boninahitra farany izy ary namoaka ny bokiny farany indrindra, Muros del Sol (The Sun's Walls) tao amin'ny hopitaly niaraka tamin'ireo namany, izay nanao fikarakarana tsotra, saingy tena nampihetsi-po. Ireo blaogera Venezoelana ihany koa no manoratra mikasika ny asan'i Villegas ary manontany tena momba izay antony tsy nahitàna vaovao maro mikasika azy tety anaty tambajotra.