· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Avrily, 2013

Brezila : Miatrika Famaky Ny Hazo Tranainy

  15 Avrily 2013

Nandrahona ny hihanika sy hipetraka eny ambonin'ireo hazo tranainy efa zato taona ny mponina ao Porto Alegre any atsimon'i Brezila mba hiarovana azy ireo tsy ho ravan'ny tetikasa fanitarana ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany 2014.

Venezoela: Miomana Amin'ny Fifidianana Atao Amin'ny Alahady ny Fikambanana Tsy Miankina Ho Amin'ny Mangarahara

  14 Avrily 2013

Tao anatin'ny enim-bolana izao dia handeha handatsa-bato fanindroany ireo Venezoeliana. Hifidy izay handimby ny filoha teo aloha Hugo Chavez izy ireo, izay namoy ny ainy tamin'ny volana Marsa teo. Somary mikorontana ny tontolo politika ao amin'ny firenena fa tsy tahaka ny fifidianana tamin'ny volana Oktobra, na dia izany aza, afaka nivondrona ireo fikambanana tsy miankina (ONG) mba hiasa...

Nankatòavin'i Orogoay Ny Fanambadian'ny Olona Mitovy Fananahana

  13 Avrily 2013

Nanjary firenena Amerika Latina faharoa mankatò ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana i Orogoay. Tamin'ny 10 Aprily 2013, nankatòavin'ireo mpanao lalàna marobe tao amin'ny Kongresy ny lalàna, izay mamaritra ny fanambadiana ho “firaisana maharitra eo amin'ny olon-droa mitovy na tsy mitovy fananahana,” vato 71 amin'ny 92 no nankasitraka izany. Efa nankatoavin'ny Antenimieran-doholona...

Amerika Latinina Aorian'ny Nahafatesan'i Chávez: Fanovana sy Fanohizana

  04 Avrily 2013

Amin'ny maha-mpitsikera mavitrika an'i Etazonia sy amin'ny maha-mpitarika nampifoha indray ny antoko ankavia azy manerana an'i Amerika Latinina, tsy isalasalana fa namela dia miavaka eo amin'ny politika iraisampirenena iainana amin'izao fotoana i Hugo Chávez Frías. Saingy hanao ahoana kosa ny lova navelany? Raha misaona sy miditra amin'ny fampielezan-kevitra i Venezuela,...