Tantara mikasika ny Paortiogaly
Vehivavy Mozambikana no nandresy tamin'ny fifaninanana nahandro iraisam-pirenena tany Portiogaly
Tamin'ny 19 Febroary, nandresy tamin’ny iray tamin'ireo fifaninanana nahandro lehibe indrindra amin’ny firenena miteny Portiogey ilay Mozambikana Sahima Hajat.
Niala tsiny noho ny fandripahan'olona nandritra ny fanjanahantany tany Mozambika i Portiogaly
Niala tsiny tamin’ny trangam-pamonoan’olona tao Wiriamu, Mozambika niseho tamin’ny 16 Desambra 1972 ny governemanta Portiogey izay nahitana sivily manodidina ny 400 eo ho eo novonoin’ny miaramila Portiogey.
Paortiogaly : mpikatroka ho an'ny zon'olombelona mitolona manohitra ny fanavakavahana, notolorana loka iraisampirenena
Mamadou dia iray amin'ireo feo tena re amin'ny hetsika manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra ao Paortiogaly. Matetika ihany koa izy no lasibatr'ireo hetsiky ny elatra farany havanana sy néo-nazis.
Ny naposaky ny Pandora Papers manerana ny firenena miteny paortiogey
Mpanao politika maro no voarohirohy tany Angola, Mozambika ary Portiogaly. Talohan'izay, tsy mbola voapaingotra tamin'ny afera maizina any ivelany ny anaran'izy ireo.
Feo any Angola sy Brezila manohana an'i Paortiogaly amin'ny Euro
Manohana an'i Portiogaly ho mpandresy ny hira noforonin'ilay mpiangaly mozika David Carreira niaraka tamin'ireo Breziliana Ludmilla sy Giulia Be ary ilay Angoley Preto Show.
Fantaro i Beatriz Gomes Dias, mpampianatra izay mety ho vehivavy mainty hoditra voalohany hitondra an'i Lisboa
Voafidy hitarika ny lisitry ny Tambatra Havia amin'ny fifidianana ao an-toerana any Lisbonne, kasaina hatao amin'ny faran'ny taona ity i Beatriz Gomes Dias, mpikambana ao amin'ny parlemanta amin'izao fotoana izao.
Ny dindo navelan'ireo Portiogey tamin'ny hainahandro indiàna
Misy dindo ao anatin'ny hainahandro ao India ny taonjato efatra nandalovan'ireo Portiogey tany an-toerana. Vitsivitsy monja amin'ireny sakafo mamofompofona portiogey ireny no atolotray ato.
Niteraka hatezerana ho an'ny vahoaka ny filazan'ny filohan'i Angola tao anatin'ny antsafa fa tsy misy mosary ao amin'ny firenena
"Misy fanampiana ara-tsakafo any Angola ankehitriny, ary tsy misy afaka milaza fa misy hanoanana [goavana] any Angola fa resaka tsy fahampian-tsakafo no misy" hoy ny fanamarihan'ny filohan'i Angola.
Amerika Iberika: Fihaonan-toby oniversitera ao El Salvador
Tamin'ity herinandro ity tany Salvadaoro, mpankafy teknolojia an-jatony no nivory tao an-drenivohitr'i San Salvador mba handray anjara amin'ny fizarana farany amin'ny Campus Party.
Nipoitra ny fanavakavaham-bolokoditra tao Portiogaly taorian'ny nivoahan'ny lahatsary iray nampiseho ny herisetra nataon'ny polisy
Fanehoan-kevitra maro no hita tao amin'ny tambajotra sosialy, nanohana ny mpifindra monina ny sasany ary ny hafa indray nihevitra fa mety ny fomba nandaminan'ny polisy ny raharaha.