Fantaro i Beatriz Gomes Dias, mpampianatra izay mety ho vehivavy mainty hoditra voalohany hitondra an'i Lisboa

Beatriz Gomes Dias miteny amin'ny parlemanta paortiogey. Pikantsary avy amin'ny YouTube/bloconoparlamento

Ho avy ny fifidianana isa-toerana ao Lisboa taona 2021, izay nokinasa hotontosaina amin'ny faran'ny volana septambra na amin'ny fiandohan'ny volana ôktôbra, ny mpampianatra an-tsekoly Beatriz Gomes Dias no mety ho vehivavy voalohany taranaka afrikana hitondra ny renivohitra paortiogey, raha vao mahazo ny maro an'isa ao amin'ny filankevitry ny tanàna ny mpiara-dia aminy.

Voafidy amin'ny maha-mpikambana parlemantan'i Paortiogaly ao amin'ny Tambatra Ankavia tamin'ny taona 2019, iray amin'ireo vehivavy mainty hoditra telo monja ao amin'ny parlemanta amin'izao fotoana i Dias, na dia efa niasa ho solontenan'ny tanànan'i Lisboa aza izy tamin'ny taona 2018. Tamin'ny marsa 2021, nanaiky izy ho ao anatin'ny lisitry ny kandidàn'ny Tambatra Ankavia ho an'ny fifidianana isa-toerana ao amin'ny tanàna.

Taranaka Gineana i Dias, izay teraka tany Dakar, Senegal tamin'ny taona 1971, ary efa niaina tao Lisboa hatramin'ny fahaefa-taonany. Efa nahazo diplaoma amin'ny Biolojia tao amin'ny Oniversiten’ i Coimbra izy ary manana ny Diplaoma Master amin'ny Siansan'ny Fifandraisana avy amin'ny Fakiolten'i Haiolombelona sy Fiarahamonina tao amin'ny Oniversite Vaovaon'i Lisboa. Niasa ho mpampianatra amin'ny sekoly ambaratonga faharoa izy ary mpikatroka anti-rasista.

Mpikambana ao amin'ny SOS Rasisma izy sady mpanorina ny Djass (Fikambanan'ny olona taranaka afrikana), izay nitarika ny fihoirana, tamin'ny taona 2017, ho fanorenana ny Toeram-Pahatsiarovana ho fanomezam-boninahitra ny vahoaka noandevozina ao amin'ny tanàna.

Nilaza i Dias tamin'ny fanambaràna ny firotsahany ho kandidà:

Acredito que é possível construir uma outra Lisboa. Uma cidade mais habitável, mais inclusiva, mais solidária, menos desigual e com mais memória. Uma Lisboa com coragem e determinação para enfrentar a crise social que vivemos, a emergência climática, o racismo e todas as discriminações. Uma cidade que não esteja ao serviço dos interesses de alguns, mas que seja verdadeiramente a cidade de todos e todas.

Mino aho fa azo atao ny manorina Lisboa hafa. Tanàna azo iainana kokoa, azo iatiana kokoa, azo iarahana miasa kokoa, kely kokoa ny hantsana ary ahitana tsiaro kokoa. Lisboa manana herimpo sy fahatapahan-kevitra hiatrehany ny krizy sosialy izay iainantsika ankehitriny, ny fahamehana ara-toetrandro, ny fanavakavaham-bolonkoditra ary ireo karazana fanavakavahana rehetra. Tanàna tsy miasa ho amin'ny tombontsoan'ny vitsy, fa tena ho tanànan'ny rehetra tokoa.

Mpiserasera maro, ao anatin'izany i Marlene dos Santos, no nanambara ny fanohanany an'i Dias:

Os jovens ficariam sem dúvida muito bem representados caso fosse eleita. A grave crise climática, o racismo e xenofobia são, sem sombra de dúvidas, problemas sérios num futuro próximo (infelizmente), os quais os jovens terão de enfrentar.

Tsy isalasalàna fa ho voasolo tena tokoa ny tanora raha voafidy izy. Tsy asiana na dia aloka fihambahambàna akory aza fa olana ratsy ho an'ny ampitso akaiky ho atrehin'ny tanora ny krizin'ny toetrandro, ny rasisma ary ny fankahalam-bahiny.

Mitovy hevitra amin'izany i Génio Eugénio, raha naneho hevitra tao amin'ny lahatsoratry ny kandidà iray :

Beatriz, quando eu olho pra ti com bastante orgulho, faz me dizer a todas as crianças que “não importa de onde vens, acredita que os teus sonhos sempre serão validos” .
Obrigado por nos fazer sentir representados.

Beatriz, rehefa mijery anao ao anaty fireharehana aho, dia mahatonga ahy hiteny amin'ny ankizy rehetra hoe tsy ahoako izay niavianao, minoa fa hanana ny fahamendrehana hatrany ny nofinofinao’. Mankasitraka anao mahatonga anay hahatsapa ho voasolo tena.

Fanafihana Rasista

Lasibatry ny fanafihan'ny rasista i Dias, ka ao anatin'izany ny fandrahonana ho faty, hatramin'ny nifidianana azy tamin'ny taona 2019.

Tamin'ny Aogositra 2020, naharay imailaka avy amin'olon-tsy fantatra manome fe-potoana “48 ora” izy — sy ny vehivavy mpanao politika roa hafa, Mariana Mortágua sy Joacine Katar Moreira (izay samy mainty hoditra koa) – mba “hiala amin'ny asany politika ary hiala amin'ny faritra Paortiogey”. Raha tsy nahavita izany izy ireo mba “hiantohana ny filaminan'ny vahoaka Paortiogey”, dia nandrahona ilay mailaka fa hamotika ny fianakavian'izy ireo.

Nalefa tany amin'ireo olona nisy fifandraisana tamin'ireo hetsika sosialy elatra ankavia ihany koa ilay mailaka, ao anatin'izany i Mamadou Ba, talen'ny fikambanana SOS Racismo; Vasco Santos avy amin'ny Hetsika Sosialista Mahasolo (MAS); Jonathan Costa sy Rita Osório an'ny Mandatehezana Anti-Fasista Tafaray; sendikalista varotra Danilo Moreira; ary Melissa Rodrigues avy ao amin'ny Ivontoerana Manohitra ny Fanavakavaham-bolokoditra ao Porto.

Nanameloka ny fandrahonana natao tamin'ireo mpanao politika telo sy ireo mpikatroka ny filoha Marcelo Rebelo de Sousa :

É tão condenável uma atuação racista que tenha contornos criminosos contra deputados como contra qualquer cidadão português.

Ny fihetsika fanavakavaham-bolon-koditra ahitana lafiny heloka bevava atao amin'ny mpanao politika dia azo saziana ho atao amin'ny olom-pirenena Portiogey hafa.

Niresaka momba ilay raharaha tamin'ny sampam-baovao Agência Lusa ihany koa ny filohan'ny Antenimieran'ny Repoblika, Ferro Rodrigues, nanasongadina ny hamafin'ny fikasana fandrahonana:

A tentativa de intimidar deputados e ativistas políticos reveste-se de gravidade suficiente para que, enquanto Presidente da Assembleia da República, não possa (nem queira) deixar de a condenar, manifestando também todo o meu apoio aos visados. 

Goavana loatra ny fikasana handrahona ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta sy ireo mpikatroka ara-politika ka amin'ny maha filohan'ny Antenimieran'ny Repoblika ahy, dia tsy ho avelako ny tsy hanameloka izany, ary maneho ihany koa ny fanohanako tanteraka amin'ireo voakasik'izany aho.

Tamin'ny podcast ny 26 martsa lasa teo, niresaka momba ireo hafatra fanavakavaham-bolonkoditra voarainy tao amin'ny media sosialy hatramin'ny nahavoafidy azy i Dias:

Combato o discurso de ódio que me é dirigido através da apresentação de políticas públicas contra a exclusão e a discriminação das pessoas negras. Nós somos as herdeiras das combatentes pela libertação, em prol de uma causa coletiva.

Miady amin'ny kabary fankahalana atao amiko aho amin'ny alàlan'ny fanolorana politikam-bahoaka manohitra ny fanilihana sy ny fanavakavahana ny mainty hoditra. Mpandova ireo mpiady ny fanafahana isika, ho amin'ny tanjona iraisana.

Nandritra io fotoana io dia niaiky ilay mpisera Facebook Ricardo Santos fa mbola tsy niala tamin'ny tantaran‘ny fanavakavaham-bolon-koditra ao aminy i Paortiogaly:
Portugal ainda não se reconciliou verdadeiramente com a sua própria história. Este episódio e tantos outros demonstram até à exaustão quem enquanto o país não for capaz de abordar simultaneamente a grande epopeia dos descobrimentos e os horrores associados da colonização e da escravatura será difícil senão impossível evitar estes racismos primários.

Tsy mbola tena nampifanaraka ny tenany tamin'ny tantarany manokana i Paortiogaly. Mampiseho mazava ity fizarana ity sy ny maro hafa fa raha mbola tsy afaka miroso amin'ny tantara lehibe amin'ny fahitàna sy ny horohoro mifandraika amin'ny fanjanahana sy fanandevozana ny firenena amin'ny fotoana iray, dia ho sarotra, raha tsy ho azo atao, ny misoroka ireo fanavakavaham-bolon-koditra raiki-tapisaka

Ankoatra an'i Dias, anisan'ireo vehivavy mainty hoditra hafa mpikambana ao amin'ny parlemanta ireo Gineana-Portiogey Joacine Katar Moreira, sy Romualda Fernandes, teraka tany Guinea-Bissau.

Tao anatin'ny fifidianana tamin'ny volana oktobra 2019,  nilaza i Moreira fa ny fifidianana ireo vehivavy mpikambana ao amin'ny parlemanta dia “tsy tokony ho raisina fotsiny ho zava-bita, fa fitaovana fototra” amin'ny fandraisana anjara biriky amin'ny “fanamafisana ny demaokrasia sy ny foto-kevi-pahalalahana repoblikana, fitoviana sy firahalahiana. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.