HORONANTSARY/RAKIPEO: Mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza

Tamin'ny volana Desambra lasa teo, nitodika tany amin'i Arzantina ny mason'izao tontolo izao satria natao ara-dalàna ny fanalan-jaza tao amin'io firenena io. Saingy hatraiza no hanerena ny zazavavy sy vehivavy ho tonga reny any amin'ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao?

Jereo na henoy ity andiana Global Voices Insights (nandeha mivantana tamin'ny 7 Aprily) ity, izay nandraisan'i Melissa Vida, tonian-dahatsoratray any Amerika Latina  anjara tamin'ny resadresaka mahaliana momba ny zo ara-pananahana miaraka amin'ireto manam-pahaizana manokana sy mpikatroka manaraka ireto:

    • Debora Diniz (Brezila): antrôpôlôgy mamolavola tetikasam-pikarohana momba ny bioetika, ny feminisma, ny zon'olombelona ary ny fahasalamana. Mampianatra ao amin'ny Oniversiten'i Brasilia, mpikaroka ao amin'ny Oniversite Brown, ary mpikatroka ho an'ny zo ara-pananahana. Nahazo mari-pankasitrahana nasionaly sy iraisam-pirenena marobe ny fanadihadiana nataony momba ny fanalan-jaza, ny fanambadiana mitovy, ny fanjakana laika ary ny sela fototra ary naseho tamina fifaninanana maro.
    • Joy Asasira (Oganda): fanta-daza amin'ny Fiarovana ny Fahasalamana momba ny Fanabeazana Aizana Afrikana, ny Zon'olombelona, sy ny Miralenta ary mpamolavola tetikady miaraka amin'ny fisoloana vava manerantany, ny fanentanana ary ny fananganana hetsika sy ny fandrindrana. Notoloran'ny Uganda Law Society ny loka tsara indrindra ho an'ny Vehivavy mpiaro ny zon'olombelona i Joy tamin'ny taona 2018/2019 ary nekena ho vehivavy misandratra ho an'ny Fahasalamana Manerantany tao amin'ny Fivoriambe Ara-pahasalamana Manerantany ho an'ny Vehivavy Mpitarika (2017) tao amin'ny Oniversite Stanford.
    • Emilie Palamy Pradichit (Thailandy): mpanorina sady talen'ny Orina Mpanasoa Manushya, izay naoriny tamin'ny taona 2017 (midika hoe ‘Olombelona’ amin'ny teny Sanskrit ny Manushya ), manana tanjona hanamafisana ny fahefan'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana, indrindra ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy mba ahafahan'izy ireo miady ho an'ny zony, ny fitovian-jo ary ny rariny ara-tsosialy. Mpisolovava iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona izy ary manam-pahaizana manokana amin'ny fanomezana fitsarana ara-drariny ho an'ny vondrom-piarahamonina voahilikilika.
    • R Umaima Ahmed (Pakistan): mpanao gazety mahaleotena. Vao haingana izy no Toniandahatsoratra Mpiara-miasa An-tserasera tao amin'ny The News on Sunday sy ny The Nation Newspaper. Manana traikefa folo taona eo amin'ny fanoratana votoaty, famoahan-dahatsoratra ary ny fampitam-baovao ao an-toerana amin'ny aterineto sy ny fampitam-baovao vahiny izy. Ny fiarovana nomerika, ny olan'ny vehivavy ary ny zon'ny biby no hifantohany. Mpandray anjara ato amin'ny Global Voices izy.
    • Dominika Lasota (Polonina): mpikatroka mafana fo amin'ny fiarovana ny toetrandro, 19 taona avy any Polonina; Mpandray anjara amin'ny hetsika Fridays For Future sy ny Women's Strike.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.