Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2017
Mpikatroka Breziliana Ao Anatin'ny Tsy Fahatsiarovan-tena Rehefa Nodarohan'ny Polisy Kibay Nandritra ny Fihetsiketsehana Ny Lohany
Nampidirina hopitaly notsaboina vonjimaika tamin'ity herinandro ilay mpianatra Breziliana 33 taona, rehefa nodarohan'ny polisy tamin'ny kibay ny lohany nandritra ny fihetsiketsehana tao an-tanànan'i Goiânia tamin'ny Zoma, izay an-tapitrisany ny olona nanatevin-daharana ny fitokonana manerana ny firenena ho fanoherana ny fanavaozana ny fitsitsiana.
Mankalaza Ny Famotsorana Ireo Ankizivavy Chibok 82 Nobaboin'ny Boko Haram Ny Nizeriana
Navotsotra ireo ankizivavy taorian'ny fifampiraharahana teo amin'ny governemanta sy ny milisy Boko Haram.
Palestiniana Mpanao Gazety Manoritsoritra Ireo Andro Maro Nijaliany, Ireo Tsindrona Mistery Nataon'ny Sampam-pitsikilovana Palestiniana Azy
“Manokafa trano fiandrasampaty ho ahy, tsy ho ela dia handre momba ny fahafatesako ianareo.”
Misolo Tena ny Governemanta Mpanao Famoretana Ao Ethiopia i Tedros Adhanom Kandidà Tale Jeneralin'ny OMS Ho An'ny Mpanohitra
Manao fampielezan-kevitra manohitra azy mafy an-tserasera ireo Ethiopiana izay mahatsiaro ho voahilikiliky ny governemanta ao amin'ny firenena.
Toniziana Mpikatroka Amin'ny Media Alaina Ambavany Momba ny Loharan'ireo Antontan-taratasy Tafaporitsaka
Endrika manana ny maha-izy azy amin'ny media tsy mankina sy ny fikatrohana ho fiarovana ny zon'olombelona ao Tonizia sy any amin'ny faritra Arabo i Ben Gharbia.
Rafael Braga Vieira: Endriky Ny Fanavakavaham-bolonkoditra Napetraky ny Lalàna Sy Ny Fahantrana Natao Ho Heloka Ao Amin'ny Fitsarana Breziliana
Tsy nanan-kialofana sady nanangona akora azo averina ampiasaina mba hivelomana i Braga tamin'izy voasambotra voalohany. Nefa mbola vao ny fiantombohan'ny tantara ratsy maizina kokoa izany.
Mahery Fo Roa Tratry ny Fanafihana Tamin'ny Asidra, Eny ambony Fandrian'ny Hopitaly No Manàla Fanadinana
Tsy navelan'i Seema Basnet sy Sangita Magar ho vato misakana ny fianaran'izy ireo ny ratra nanjo azy.
Tonga Any Libanona Ny Hetsi-panoherana Ao Venezoela
"Fahasahiana izany. Tokony hiantoka ny Zon'olombelon'ireo Venezoeliana i Tarek WILLIAM Saab kanefa tsy nanao izany izy fa nandeha sy niresaka momba ny Zon'Olombelona tao #Libanona."
Fantaro ny Fiainan'ny Vaoty, Vondrom-poko Iray Andalam-panjavonana Ao Rosia
Olona ampolony monja ny Vaoty, miaina ivelan'i St. Petersburg ny vondrom-piarahamonina Vaody lehibe indrindra. Nifampireska tamin'ireo taranaka Vaody sasany sisa mbola velona i Victoria Vziatysheva.
Niala An-Daharana Tamin'ny Fifaninanana Lalao Echec ny Zazavavy Iray Rehefa Nolazain'ny Mpikarakara Fa “Manaitaitra” Ny Akanjony Hatreo Amin'ny Lohaliny
"Tsy ny filazana fanitsakitsahana ny fepetran'ny fomba fitafy ihany no tokony hojeren'ny polisy fa ny zavamisin'ilay zaza fantarin'ny olon-dehibe iray amin'ny fananahany.”