Rafael Braga Vieira: Endriky Ny Fanavakavaham-bolonkoditra Napetraky ny Lalàna Sy Ny Fahantrana Natao Ho Heloka Ao Amin'ny Fitsarana Breziliana

Sora-baventy tao aminà fihetsiketsehana no fanohanana an'i Rafael Braga Vieira tamin'ny 2014. Sary: Mídia Ninja/Flickr, CC-BY-NC-SA 2.0
Voaheloka dimy taona an-tranomaizina i Rafael Braga taorian'ny nisamboran‘ny polisy azy tao aminà fihetsiketsehana lehibe tany Rio de Janeiro tamin'ny 20 Jona 2013. Vao feno 25 taona tamin'io taona io, tsy nanan-kialofana i Braga ary nanangona akora azo averina ampiasaina mba hivelomana. Nilaza izy fa tsy nahalala mihitsy hoe nisy fihetsiketseham-bahoaka akory. Rehefa nahita tavoahanginà fanadiovana fery sy “eau de javel” teny aminy ireo polisy, dia niampanga azy ho nitondra zavatra mipoaka, ary voaheloka talohan'ny faran'ny taona izy.
Braga no hany olona nalefa tany am-ponja noho ny hetsi-panoherana tamin'ny Jona 2013, nefa ity nahazo azy ity dia vao fanombohan'ny tantara maizina izay lazain'ireo mpikatroka sy ireo manampahaizana manokana ankehitriny ho maneho ny fanavakavaham-bolonkoditra napetraky ny rafi-pitsarana Breziliana sy ny fanaovana ny fahantrana ho heloka ao amin'ny firenena .
Nijanona tany am-ponja hatramin'ny Desambra 2015 i Braga, rehefa navelan'ny fitsarana hiasa any ivelany mandritra ny ambin'ny saziny tao amin'ny tranon'ny reniny tany Rio, mitondra bracelet elektronika. Na izany aza, nosamborin'ny polisy indray izy iray volana taty aoriana noho ny fitondrana rongony “marijuana” 0.6 grama sy afomanga (ilay karazany ampiasain'ny mpanondrana zava-mahadomelina mba hanairana ireo andian-jiolahy rehefa miditra ao amin'ilay vondrom-piarahamonina ny polisy).
Tamin'ny 20 Aprily 2017, voaheloka noho ny fanondranana zava-mahadomelina i Braga, ary tamin'ity indray mitoraka ity nosazian'ny fitsarana 11 taona sy telo volana am-ponja izy, na teo aza ny fampielezan-kevitra mafy (ny fahatelo taonany amin'izao fotoana izao) nataon'ireo mpikatroka izay im-betsaka nanipika ny fifanoherana sy ny tsy fetezan-javatra tamin'ireo fitsarana roa natao an'i Braga.
Ilay mpitsara tamin'ilay fitsarana voalohany tamin'ny 2013 dia toa tsy niraharaha ny tatitra ara-teknika avy amin'ny sampan-draharaham-panjakan'i Rio De Janeiro miandraikitra ny baomba izay nanambara fa “fahafahana mipoaka faran'izay kely indrindra” no nananan'ilay ranon-javatra fanadiovana izay nentin'i Braga, amin'ny ampahany satria vita amin'ny plastika ireo tavoahangy, nefa raha ny tokony ho izy, ny baomba lasantsy dia atao anaty tavoahangy fitaratra.
Nolavin'i Braga ireo fiampangana izay nitarika ho amin'ny fisamborana azy fanindroany tamin'ny 2016, niampangany ireo polisy ho nanao herisetra taminy ary namorona porofo sandoka — zavatra tsy dia vaovao ao amin'ny sampam-pitsikilovana Breziliana, izay matetika idarohana ireo voarohirohy amin'ny fiampangana ireo mpivarotra zava-mahadomelina.
Tamin'ny fitsarana faharoa, nailiky ny fitsarana ny iray amin'ireo vavolombelona nantsoina ho fiarovana an'i Braga (mpifanolo-bodirindrina izay nanamarina ny fitantarany ny zava-nitranga) satria ilay mpifanolo-bodirindrina dia nanana “fifandraisana ara-pianakaviana” tamin'i Braga. Ireo dimy vavolombelon'ny fampanoavana dia polisy izay samy manana filazana mifanohitra. Ohatra, ny polisy iray milaza fa nentina tany amin'ny tobin'ny polisy tao anatin'ny fitoeran'entan'ny fiara ny polisy i Braga, raha nilaza kosa ny hafa nilaza fa napetraka tao amin'ny seza tao aoriana izy.
Mahavariana, nandà tsy hijery ny ampahan'ilay lahatsary fanarahamaso avy amin'ny fakàntsary teo amin'ny toerana nisamborana an'i Braga ihany koa ilay mpitsara, nilaza fa “tsy ilaina amin'ny tsoakevitr'ilay raharaha.” izany.
Maro amin'ireo mpahay lalàna koa no nitsikera ilay sazy, nilaza fa ny fijanonana am-ponja mihoatra ny 11 taona dia sazy henjana loatra ho anà fitazonana rongony kely. Ponte Jornalismo, haino aman-jery iray tsy miankina izay nanaraka akaiky ireo fitsarana roa, dia nitantara tranga mitovy amin'io niafara taminà sazy moramora kokoa — toy ny tamin'ny nisamboran'ny polisy lehilahy 18 taona noho ny fitondrana marijuana 25 grama. Ity olona voaheloka ity dia nijanona iray andro monja tao am-pigadrana, talohan'ny nanilihan'ny mpitsara iray ny fanamelohana ny fanondranana zava-mahadomelina. Araka ny tranokala G1, taty aoriana dia niaiky ny voampanga fa nahazo fanampiana noho ny rainy izay manana fifandraisana maro izy, izay naman'ny mpitsara iray hafa.
Ny lalànan'i Brezila momba ny zava-mahadomelina izay maha-be adihevitra dia manome alàlana ny fitsarana mba hijery ireo voampanga amin'ny fomba tena samy hafa. Raha nohalalahina ny fampiasana ny zava-mahadomelina, tsy manome famaritana mazava ny lalàna momba ny maha-samy hafa ny “fampiasana” sy “fanondranana” ilay lalàna, mamela ny fanapahankevitra ho an'ny polisy sy ny fitsarana isaky ny toe-javatra tsirairay mitranga. Misy mpahay lalàna sasany milaza fa, raha ny marina, ilay fiteny manjavozavo hita ao anatin'ireny lalàna ireny no tena manamafy ilay fitsarana an-tendrony manavakavaka ao amin'ny rafi-pitsaràna any Brezila, izay ireo olona mahantra hafa volon-koditra no hita kokoa mety ho voaheloka noho ny fanondranana zava-mahadomelina.
David Miranda, mpanolotsainan'ny tanàna avy amin'ny antoko ankavia, Sosialisma sy Fahafahana ao Rio de Janeiro, nampitaha ny fitsarana an'i Braga tamin'ny tranga hafa nalaza ratsy tany Brezila tamin'ny 2013, tamin'ny polisy nahita Kokaina 450 kilograma nipetaka taminà angidimby an'ny solombavambahoaka sady mpandraharaha, Gerais Gustavo Perrella (zanaky ny loholona Zezé Perella). Nosamborin'ny polisy ny mpanamory ilay angidimby (mpiasan'ny fianakaviana Perrella) ary nohelohiny ho nanondrana zava-mahadomelina, no sady tsy niraharaha ny fianakaviana Perrellas ireo mpampanoa lalàna.
- pinho sol = 11 anos de prisão
- 450 kg de cocaína num helicóptero = processo arquivado#LiberdadeparaRafaelBraga
— David Miranda (@davidmirandario) April 22, 2017
- pinho sol (ranon-javatra fanadiovana) = 11 taona any am-ponja
– Kokaina 450 kg taminà angidimby iray = fanenjehana araka ny lalàna nampirimina # FreedomforRafaelBraga
Rafael Braga V. ao lado de uma pichação “Se você só olha da esquerda p/ direita o estado te esmaga de cima p/ baixo” pic.twitter.com/dPgTLzoq66
— Roger Cury (@semfimlucrativo) January 2, 2016
Rafael Braga V. mitsangana eo akaikin'ny soratra mivaky hoe, “Ianao mijery fotsiny avy any ankavia miankavanana, ny fanjakana manorotoro anao hatrany ambony ka hatrany ambany ” [Niely patrana tao amin'ny haino aman-jery sosialy ity sary ity. Nalaina tamin'ny 20 Novambra 2014, tamin'i Braga tao anatin'ny fiainana misokatra amin'ny antsasany, satria niverina tany am-ponja izy isaky ny avy miasa tontolo andro. Voasazy noho ny firaisana tsikombakomba izy ary natokan-toerana nandritra ny 10 andro]
Nandritra ny herinandro lasa iny, maro ny mpampiasa aterineto no naneho ny hatezerany noho ilay fanamelohana vaovao an'i Braga, anisan'izany ny mpisolovava sady Profesora Antônio Pedro Melchior:
Ao anatinà firenena izay ahitana fanitsakitsahana zon'olombelona ataon'ny sampandraharahan'ny polisy, izay ny ankamaroan'ny mponina dia milaza fa tsy matoky ny polisy, dia tsy azo ekena ny fanamelohana miorina fotsiny amin'ny tenin'ny polisy.
Nanoratra tao amin'ny Facebook koa ny solombavambahoaka Federaly sady mpikatroka mpiaro zon'olombelona, Jean Wyllys:
Efa vosoratra ny tantara. Nanao araka izay efa nampoizina fotsiny ny mpitsara.
Nomeny an'i Rafael ny didim-pitsarana. Ary nanao toy izany koa isika rehetra. Raha namintina ny fahafaham-baraka lalin'ny fahantràna Breziliana amin'ny fanamelohana lehilahy mainty hoditra iray indray, nosoratan'ilay mpitsara ho an'izay natao hiantefany ny lalàna.
Tao amin'ny Twitter, nomelohin'ny Amnesty International ilay didim-pitsarana:
“Nenhum de nós pode se calar diante da perspectiva que ele pague por crimes que não cometeu” @juremawerneck #LiberdadeParaRafaelBraga pic.twitter.com/GoeGpahcZP
— AnistiaInternacional (@anistiabrasil) April 24, 2017
“Tsy misy na iray aza amintsika afaka hangiana amin'ny fieritreretana fa voasazy amin'ny heloka tsy nataony izy”
Maro ireo fihetsiketsehana ho fanohanana an'i Braga natao tao Rio de Janeiro, São Paulo, ary hatrany Orugoay aza. Tamin'ny 24 Aprily, olona an-jatony koa no nanatevin-daharana ny fiaretantory tao São Paulo ho fanoherana ilay sazy vaovao fampidirana am-ponja.

Fihetsiketsehana tany São Paulo ho an'ny fanafahana an'i Rafael Braga. Sary an'i Daniel Arroyo sy ny Ponte Jornalismo, nahazoana alalana ny fampiasana azy.
Afaka mahita ireo sary avy amin'ny fihetsiketsehana tany São Paulo ao amin'ny tranokalan'ny Ponte Jornalismo sy ny pejy Facebook-n'ny Mães de Maio ianao. Ary koa, nisy lahatsary roa an'ireo fihetsiketsehana nalefa ao amin'ny pejy Facebook-n'i Alma Preta. Ao amin'ny Facebook, namoaka ny fandaharam-potoana feno (amin'ny teny Portiogey) maneho ilay tantara ratsin'i Rafael ny Pela Liberdade de Rafael Braga Vieira (Ho an'ny Fanafahana an'i Rafael Braga Vieira), nanomboka tamin'ny fisamborana azy voalohany tamin'ny 2013 ary miafara amin'ny fanamelohana azy tamin'iny volana Aprily iny.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...