Toniziana Mpikatroka Amin'ny Media Alaina Ambavany Momba ny Loharan'ireo Antontan-taratasy Tafaporitsaka

Sami Ben Gharbia (right) miaraka amin'ilay Siriana mpikatroka, Razan Ghazzawi, tao amin'ny vovonamben'ny Global Voices tamin'ny 2008. Sary an'i Yazan Badran tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Ny 3 May teo, nalaina ambavany nandritry ny ora enina i Sami Ben Gharbia, Toniziana mpikatroka mpiaro zon'olombelona. Momba ny anjara toerana noraisiny tamin'ny famoahana ireo drafitry ny filoha momba ilay volavolan-dalàna ho fampihavanana ara-toekarena miteraka resabe no nakàn'ireo manampahefana Toniziana ambavany azy.

Tamin'ny fahatongavany tao amin'ny Borigady Foibe Mpanadihady an'ny Mpiambina Nasionaly ao L’Aouina, voalohany nanontaniana an'i Ben Gharbia ny loharano niporitsahan’ ilay drafitra an'ny filoha ho entina mandresy  lahatra ho fampandaniana ilay lalàna. Nanontaniana betsaka azy hany koa ny momba ny fomba fiasa ao anatin'ny Nawaat, ilay media Toniziana tsy miankina sy fikambanana ONG izay niarahany nanorina tamin'ny 2004. Ao anatin'ny famaritan-dry zareo ilay tranga, izao no nosoratan'ny mpiaramiasa ao amin'ny Nawaat:

Manoloana ny fahavononan'i Ben Gharbia hiaro ny loharanonay’ araka ny voalazan'ny Andininy faha-11 amin'ilay Didim-panjakàna 115, naharitra ora enina ny fakàna ambavany azy ary nitondra nankany amin'ny filàna sotasota manorisory, nifantoka tamin'ny fomba fiasa ato anatin'ny Nawaat, ny mombamomba ireo mpanao gazety ao (karapanondro, laharan'ny telefaona, sns….) ary ny lisitr'ireo mpiaramiasa amin'ny Nawaat, fikasàna mba hahafahana maka ambavany azy ireo tsirairay avy.

Endrika manana ny maha-izy azy amin'ny media tsy mankina sy ny fikatrohana ho fiarovana ny zon'olombelona ao Tonizia sy any amin'ny faritra Arabo i Ben Gharbia. Ho fanampin'ny niarahany nanangana ny Nawaat, izy ihany koa dia tale mpanorina ny tetikasa Advocacy eto amin'ny Global Voices, fantatra amin'izao fotoana amin'ny hoe Advox.

Samy nanameloka ny fihetsika ataon'ny fanjakàna amin'i Ben Gharbia avokoa, na ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona ao amin'ny faritra, na ireo manerana izao tontolo izao:

Fanambaràna iraisan'ny @RSF_NordAfrique , @Article19Tunis sy ONG hafa ao an-toerana sy manerantany mpiaro zon'olombelona ho fanohanana an'i @ifikra (@nawaat) #FreePress #WPFD2017 #Tunisia

Niteraka kiana ilay antsoina hoe lalàna “fampihavanana ara-toekarena”, satria hanome famotsorankeloka ho an'ireo mpandraharaha sy manampahefana voampanga ho nanao kolikoly nandritry ny fitondran'ilay filoha jadona teo aloha, Zine el-Abidine Ben Ali, izay milaza fa mamerina fotsiny ny vola azony tamin'ny tsy ara-dalàna ry zareo. Tohanana sy vatsian'ny governemanta ary ny filoha Beji Caid Essebsi, nahemotra taona roa ny fandaniana ilay volavolan-dalàna noho ny fanoherana nataon'ny fiarahamonina sivily sy ireo mpanao hetsipanoherana. Kanefa, ankehitriny ilay volavolan-dalàna dia voalahatra ho ao anatin'ny fivoriambe ara-potoana hatao ny 9 May, ary niteraka hetsipanoherana manerana ny firenena.

Ireo mpanakiana, isan'izany ilay ONG miady amin'ny kolikoly, I-Watch, ilay vondrona mpandàla ny mangarahara AlBawsala ary ny Komisiona Fahamarinana sy Fahamendrehana, dia napetraka taorian'ny revolisiona mba hanadihady ireo heloka bevava nitranga nandritry ny vanimpotoanan'ny fitondrana jadona, milaza fa ny fandaniana ilay volavolan-dalàna dia mety hanimba ny dingana tetezamita ara-pitsaràna lalovan'ny firenena ary hanome vàhana bebe kokoa ny kolikoly amin'ny fanamafisana ny kolontsain'ny tsimatimanota. Ireo mpikatroka manohitra ilay volavolan-dalàna dia maniry hahita ireo voarohirohy taminà kolikoly ho entina hiatrika fitsaràna ary ho helohin'ny fitsaràna, alohan'izay rehetra mety ho karazana famelankeloka ho apetraka.

Hatramin'ny fotoana voalohany nanoloran'ny Filoha Essebsi azy io tamin'ny 2015, dia nanome fandrakofambaovao midadasika be momba ilay volavolan-dalàna ny Nawaat, isan'izany ny fandrakofana nampiasàna ny ‘multimedia’ tamin'ireo hetsika fanoherana ilay lalàna, sy ny vanimpotoanan'ireo ezaka fandresena lahatra nataon'ireo tomponandraikitra taloha teo ambany fitondran'i Ben Ali ho fanohanana ilay tolodalàna. Fanampin'izany, ny Nawaat dia niantso ilay volavolan-dalàna ho “manohitra ny revolisiona”.

Ilay drafitra misy teboka fito tafaporitsaka navoakan'ny Nawaat dia manisy tsindrimpeo amin'ireo tetikadin'ny filoha hanao tsindry ho fanohanana ilay tolodalàna. Ireny tetikady ireny dia ahitàna fihaonana miaraka amin'ireo antoko politika, mpahay toekarena, manampahaizana manokana momba ny lalàna ary mpisehatra avy amin'ny fiarahamonina sivily, sy tetikady iray momba ny haino aman-jery ikendrena ny hanindriana “ny vokatry ny fampihavana ara-toekarena eo amin'ny fahombiazana ara-toekarena sy ara-bola” amin'ny alàlan'ny fampitomboana ny fisehoan'ireo mpanohana ilay volavolan-dalàna any amin'ny haino aman-jery, miampy fanentanana iray amin'ny media sosialy hampitàna “hafatra iray miabo mba handaniana azy io sy hanipihana ny tombontsoa entin'ilay fampihavanana.”

Tsy vaovao amin'i Ben Gharbia ireny olana ireny, izy izay efa niasa ho fampivoarana ny mangarahara sy ny tamberinandraikitra tao Tonizia efa ho 156 taona mahery. Nitàna toerana toy ny andry izy tamin'ny famoahana ireo antontan-taratasin'ny Departemantam-panjakana Amerikàna sy ireo ‘cables’ izay nanamarina ny honohono momba ny fisian'ny kolikoly lalina sy ny rafitra fanararaotana ny zon'olombelona nataon'ny governemanta Toniziana teo ambany fitondran'i Ben Ali, fantatra tamin'ny hoe Tunileaks. Mpisava làlana ny revolisiona Toniziana ny zavatra navoakan-dry zareo, izay nitondra tamin'ny fanongànana an'i Ben Ali tamin'ny Janoary 2011.

Tao anaty lahatsoratra iray natao hisaintsainana navoakany tamin'ny 2013, nofaritan'i Ben Gharbia ny fiantraikan'ny Tunileaks:

Tsy mila izay Tunileaks akory ny Toniziana mba hilaza amin'izy ireo hoe anjakan'ny kolikoly ny fireneny. Efa nihanihany sy nitakoritsika momba ny kolikoly ny Toniziana hatrizay, efa an-taona maro. Ny hany maha-samihafa azy dia ny vokatry ny fametrahana andrimpanjakana iray manandrina loatra ny daholobe amin'ny endrika ratsy ananany. Efa nahalàla ny governemanta fa hoe fantatry ny vahoaka rehetra, ao anatiny sy ivelan'ny firenena, ny fatran'ny kolikoly sy ny toetra tsy refesimandidy ananany. Ary ny olona voalohany nilaza ilay tantara dia tsy mpanohitra na mpihoko ara-politika. Fa ny departemantam-panjakana Amerikana, noheverina ho mpiaradia.

Toarian'ny folo taona mahery nolaniany tany velan'i Tonizia, natahotra ny fanenjehan'ny fitondran'i Ben Ali, niverina tany Tonizia izy taorian'ny revolisiona ary nanohy niasa tao amin'ny sehatry ny Nawaat izay miasa ho toy ny habaka iray ho an'ireo haino aman-jery tsy miankina. Nahazo loka iraisampirenena maro sy tao an-toerana ilay sehatra, isan'izany ny Netizen Prize an'ireo RSF (Mpitatibaovao Tsy Voafetran-tSisintany) tamin'ny 2011 noho ny nampiroboroboany ny fahalalahana maneho hevitra ety anaty aterineto, ny  EFF Pioneer Award noho ny “anjara toerana fototra notànany tamin'ny fandrakofana ireo korontana sosialy sy politika tao Tonizia” nandritry ny ririnin'ny 2010-11, ary ny lokan'ny tranonkala ifandrimbonana tsara indrindra ho an'ny taona 2015 tao Tonizia, natolotry ny sendikan'ireo mpanao gazety ao amin'ny firenena.

Izao fakàna ambavany lavabe an'i Ben Gharbia izao dia tonga tao anivon'ireo ahiahy momba ny fisian'ny ezaka ataon'ny governemanta hitsabatsabaka amin'ny haino aman-jery tato anatin'ny volana vitsivitsy lasa. Tamin'ny Aprily lasa teo, niditra an-tsehatra ny governemanta hanakana ny fandefasana ny tafa iray niarahana tamin'ny talen'ny kabinetran'ny filoha teo aloha, raha volana iray talohan'izay kosa, nolavin'ny minisitry ny fanabeazana ny hamaly reo fanontaniana sy ireo fangatahana hitafa taminy avy amin'i Mohamed Yousfi, toniandahatsoratry ny tranonkalambaovao Hakaek Online.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.